1Niakatra avy any Gezera i Jôhany, ka nilaza tamin’i Simôna rainy ny nataon’i Kendebeo.
2Dia nantsoin’i Simôna i Joda sy i Jôhany zanany roa lahy zokiny indrindra, ka nitenenany hoe:
–Izaho sy ireo rahalahiko ary ny ankohonan-draiko dia nandresy ny fahavalon’i Israely hatramin’ny fahatanoranay ka mandraka androany; ary matetika izahay no nahomby tamin’ny fanafahana ny Israelita.
3Ankehitriny ny tenako efa antitra, ianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian’Andriamanitra; ka aoka ianareo handimby ahy sy ny rahalahiko. Mandehana miady ho an’ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin’Andriamanitra!
4Dia nifantenan’i Jôhany mpiantafika andiany roapolo ary koa mpitaingin-tsoavaly teo amin’ny tany, ka niainga ireo mba hamely an’i Kendebeo ary nitoby alina tao Môdina.
5Nifoha maraina ireo miaramila ireo, dia niroso ho eo amin’ny tany lemaka; ary indro tafika marobe an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy. Ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy roa tonta.
6Niorin-toby tandrifin’ny fahavalo i Jôhany sy ny tariny. Hitan’i Jôhany fa natahotra ny hiampita ny ranon-driaka ny miaramilany, ka dia ny tenany no nita voalohany; rehefa nahita izany ireto mpiantafiny, vao nita nanaraka azy.
7Nozarain’i Jôhany ho antokony roa ary nalahany teo anelanelan’ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly, satria maro dia maro ny mpitaingin-tsoavalin’ny fahavalo.
8Dia notsofin’ny Israelita ny trômpetra fanaingana hiady, ka nitodi-doha nitsoaka i Kendebeo sy ny tafiny; fahavalo maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin’ny tanànamimandan’i Kedrôna.
9I Joda rahalahin’i Jôhany dia naratra tamin’izay, fa i Jôhany kosa no nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Kedrôna, izay vao naorin’i Kendebeo indray.
10Nisy nandositra hatrany amin’ireo tilikambo teo akaikin’i Asdôda; fa nodoran’i Jôhany kosa ny tanàna ka nahafatesana vatan-dehilahy andiany roa ny fahavalo. Izay i Jôhany vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea.
Nisy namono ho faty i Simôna, ka nodimbiasan’i Jôhany zanany lahy11I Ptôlemeo, zanakalahin’i Abobôsa, no voatendry ho mpitari-tafika teo amin’ny lemak’i Jerikao; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,
12satria vinantolahin’i Simôna mpisorombe.
13Nahatonga an’i Ptôlemeo hiavonavona am-po sy haniry ho tompon’ny tany izany; dia nisain-dratsy izy hamely an’i Simôna mbamin’ireo zanany lahy ka hahafaty azy am-pitaka.
14Tamin’izay i Simôna dia nitsiditsidika ireo tanànan’i Jodea ary nilofo nitantana azy; ka nidina tany Jerikao izy sy ny zanany roa lahy Matatià sy Joda, tamin’ny taona faha-177, volana faha-11 na hoe volana Sebata.
15Noraisin’ity zanakalahin’i Abobôsa izy telo mianaka, tao amin’ilay tanànamimanda kely nampanaoviny ka nantsoina hoe Dôka; nanomanan’i Ptôlemeo fanasana lehibe ny vahiny, kanefa nanafenany miaramila tao.
16Nony mamo i Simôna sy ireto zanany lahy, dia nitsangana i Ptôlemeo sy iretsy miaramilany ka nandray fiadiana sy niantoraka tamin’i Simôna tao an-trano fanasana, ary namono nahafaty azy sy ny zanany roa lahy mbamin’ny mpanompony vitsivitsy.
17Fivadihana mahatsiravina sady famalian-dratsy ny soa no nataon’i Ptôlemeo tamin’izany.
18Avy eo dia tatitra an-tsoratra momba ny zava-nitranga no nalefan’i Ptôlemeo ho an’i Antiôkôsa mpanjaka; sady nangatahany koa izy handefa miaramila hanampy azy mba hanolorany aminy ny tany aman-tanànan’ny Jiosy.
19Nisy olon-kafa koa nirahin’i Ptôlemeo ho any Gezera mba hamono hahafaty an’i Jôhany; ary nandefasany taratasy ireo komandin-tafika jiosy ka nasainy hiandany aminy sady nampanantenainy homena volafotsy sy volamena ary fanomezana.
20Mbola nisy olona hafa koa nirahin’i Ptôlemeo mba hanao izay hakana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly;
21saingy nisy nisosoka mialoha handeha hampandre an’i Jôhany tao Gezera ny namonoana ho faty an-drainy mbamin’ireo rahalahiny sady nanampy hoe:
–Naniraka olona i Ptôlemeo mba hamono hahafaty anao koa.
22Tohina mafy i Jôhany nony nandre izany vaovao izany; dia nosamboriny kosa ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny ho faty, satria fantany tsara ny fikasany hahafaty azy.
23Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôhany, ny ady nataony, ny herimpo nasehony, ny manda nampanaoviny mbamin’ny zavatra hafa rehetra vitany
24dia efa voasoratra avokoa ao anatin’ny boky mitantara ny vaninandro naha mpisorombe azy, nanomboka tamin’ny andro nandimbiasany an-drainy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.