Isaià 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Amin’izany andro izany, dia vehivavy fito

no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe:

«Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay,

fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao,

ka afaho amin’ny fahafaham-baràkanay.»

Ireo sisa velona tao Jerosalema

2Amin’izany andro izany, izay ampanirin’ny TOMPO eo amin’ny tany dia ho tabiha sy ho voninahitra ho an’izay sisa velona teo amin’i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.

3Koa izay sisa tafajanona tao Jerosalema na izay sisa velona tao Tsiôna dia hantsoina hoe «voatokana ho an’ny Tompo»: ireo rehetra ireo no voasoratry ny Tompo mba ho velona ao Jerosalema.

4Hisy Fanahy fahamarinana sy fanadiovana hitsoka; koa rehefa voadion’ny Tompo ho afaka amin’ny lotony ireo andriambavilanitr’i Tsiôna, ary voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny ra nalatsaka tao aminy i Jerosalema,

5dia hisy rahona matevina amin’ny antoandro sy afo mazava midedadeda amin’ny alina ho tonga eo ambonin’ny tendrombohitr’i Tsiôna manontolo sy amin’ny olona vory ao. Eny ambonin’ireo rehetra ireo kosa ny voninahitry ny TOMPO mba ho fiarovana,

6ho toy ny tranotomboka hanalokaloka amin’ny hainandro ary hialofana sy hierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help