Deoterônômy 33 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tsofin’i Mosesy rano ireo foko israelita 12

1Rehefa nadiva ho faty i Mosesy,

lehilahin’Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin’ny Israelita:

2Tonga avy tany Sinay ny TOMPO,

avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany,

avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany.

Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany;

avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.

3Eny, tia ireo fokon’i Israely ianao, ry Tompo!

Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao;

miankohoka eo an-tongotrao ireo

ka samy mandray ny teninao.

4Ny Lalàna naroson’i Mosesy tamintsika

no lovan’ny taranaka narovan’i Jakôba;

5ary tonga mpanjakan’i Jesoròna ny Tompo

fony tafangona ny lehiben’ny vahoaka

mbamin’ireo foko israelita rehetra.

6Ny amin’ny taranak’i Reobena, dia hoy i Mosesy hoe:

«Aoka ho velona ny fokon’i Reobena fa tsy ho faty,

ary aoka ho tsy tambo isaina ny olony!»

7Ny amin’ny taranak’i Joda dia izao no voalazan’i Mosesy;

«TOMPO ô, henoy antso ny fokon’i Joda!

Ento izy hifandray amin’ireo mpiray firenena aminy;

ny tanany no hiadiany ho an’ny fokony

ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.»

8Ny amin’ny taranak’i Levỳ, dia hoy i Mosesy hoe:

«Tompo ô, ny Orîmanao sy Tomîmanao

dia nankininao amin’ireto olona mahatoky Anao ireto,

izay efa nozahanao toetra tany Masà

sy nanarinao mafy teo amin’ny ranon’i Meribà.

9Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po

tamin’ny ray aman-dreniny ireo,

na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka,

fa nitandrina ny teninao

sy nitana ny fanekempihavananao

.

10Ireo no mampianatra ny fitsipika aman-dalànanao

amin’ny Israelita namany

sy manolotra vovo-javamanitra eo anatrehanao

ary mitondra sorona dorana manontolo

eo amin’ny alitaranao

.

11TOMPO ô, tahio ny ezaka vitany

ary aoka ho sitrakao ny asa ataony;

folahy ny herin’izay mitsangan-kanohitra azy,

ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.»

12Ny amin’ny taranak’i Benjamîna, dia hoy i Mosesy hoe:

«Foko malalan’ny TOMPO ianareo

ka monina feizay eo akaikiny;

miaro anao isan’andro vaky Izy

sady monina eo anivon’ny havoanareo.»

13Ny amin’ny taranak’i Jôsefa, dia hoy i Mosesy hoe:

«Hotahîn’ny TOMPO anie ny taninareo,

ka hahazo ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra

sy ny rano misoko avy any ambany lalina any,

14handray ny zava-tsoa entin’ny masoandro

sy ny zava-tsoa matoy isam-bolana,

15ho rakotry ny voka-tsoan’ny tendrombohitra

sy ny voka-tsoan’ny havoana hatrizay hatrizay!

16Enga anie ny zava-tsoan’izany tany mahavokatra izany

sy ny fanambinan’Ilay nitoetra tao amin’ny Roimemy

hitosaka eo amin’ny taranak’i Jôsefa,

dia ny taranak’ilay navahana tamin’ny rahalahiny!

17Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa

satria mahery tahaka ny ombalahy izy!

Tahaka ny ombimanga be tandroka izy,

ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra

hatrany amin’ny faravazan-tany,

dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma

sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»

18Ny amin’ny taranak’i Zebolòna sy i Jisakara,

dia hoy i Mosesy hoe:

«Mifalia, ry fokon’i Zebolòna,

amin’ny varotra ataonao;

mifalia, ry fokon’i Jisakara, ao an-dainao.

19Firenena maro no antsoinareo hankeo an-tendrombohitra

mba hanolotra sorona araka ny voalahatra,

satria angoronanareo harena ny ranomasina

sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.»

20Ny amin’ny taranak’i Gada, dia hoy i Mosesy hoe:

«Hankalazaina anie ny Tompo

Izay manome faritra malalaka ho an’ny fokon’i Gada!

Tahaka ny liona no amitsahan’ny fokon’i Gada,

dia liona vonon-kamiravira ny sandrin’ny rembiny

mbamin’ny lohany koa aza.

21Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy,

dia anjara voatokana ho an’ny mpifehy;

avy eo niaraka tamin’ny lehiben’ny vahoaka izy

ka nanao ny marina soritan’ny TOMPO

sy ny fitsipiny hanasoavana an’i Israely.»

22Ny amin’ny taranak’i Dana, dia hoy i Mosesy hoe:

«Ny fokon’i Dana dia tahaka ny vanton-diona

izay miantoraka avy ao Basàna

23Ny amin’ny taranak’i Naftalỳ, dia hoy i Mosesy hoe:

«Ry fokon’i Naftalỳ, tototra tombontsoa ianao

sady heniky ny fitahian’ny TOMPO.

Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo

ny faritany anananao!»

24Ny amin’ny taranak’i Asera, dia hoy i Mosesy hoe:

«Hotahîna anie ny fokon’i Asera,

eo amin’ny samy taranak’i Jakôba!

Hotiavin’ny mpiray firenena aminy anie izy!

Aoka hitobaka ny menak’ôlivany

ka hisy hanobohany ny tongony!»

25Azo antoka ny varavaranao

fa ho vy amam-barahina ny hidiny.

Ny herinao anie haharitra toy ny androm-piainanao!

26Dia hoy koa i Mosesy hoe:

«Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao!

Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy

mba ho tonga hamonjy anao.

27Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana;

ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ.

Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy

ary mandidy anao handringana an’ireo.

28Mandry feizay ny Israelita;

monina milamina ny taranak’i Jakôba

eo amin’ny tany be vary sy divay,

tany izay ipariahan’ny andon’ny lanitra.

29Sambatra ianareo, ry Israelita!

Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO?

Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo.

Hikoy aminareo ny fahavalonareo,

ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help