1Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro voalohan’ny volana, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2«Ry ilay taranak’olombelona, nandatsa an’i Jerosalema ny mponin’i Tiro ka manao hoe: ‹Hià! Sakoa izay! Potika ilay tanàna fandalovan’ny olona rehetra! Isika indray izao no hangoron-karena satria rava i Jerosalema!›
3Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely anao Aho, ry tanànan’i Tiro. Hasaiko manafika anao ny firenena maro, ka hifanesy hiady aminao tahaka ny onjan-dranomasina.
4Horavany ny mandanao, ary harodany ny tilikambonao. Hofafako hatramin’ny vovotaninao ka vatolampy mangadihady no sisa havelako;
5dia ho toerana fanahazan’ireo mpanarato ny haratony eny afovoan-dranomasina izany. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany. Fa ho avy ny firenen-kafa handroba anao, ry Tiro,
6sy handringana amin’ny sabatra ireo tanànakely mifanila aminao eny amoron-tsiraka eny. Amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.
7«Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Hoentiko avy any avaratra hamely anao, ry Tiro, ny mpanjaka mahery indrindra, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Ho avy hanafika anao izy, miaraka amin’ny soavaly sy kalesy ary mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny miaramila betsaka navoriny.
8Haringany amin’ny sabatra ireo tanàna kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka. Hamelezana anao dia handavaka hady sy hanangana tovon-tany ireo fahavalonao sady hampijoro rindrin’ampinga hiarovan-tena.
9Homontsaniny amin’ny kanontabe ny mandanao, ary horavany amin’ny lapika ny tilikambonao.
10Ho rakotry ny vovoka indaosin’ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon’ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin’ny manda voabanga no hidiran’ny fahavalo eo amin’ny vavahadinao.
11Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny mponinao hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ary ireo andrim-batonao hazerany amin’ny tany.
12Hangalariny ireo harenao ary horobainy ireo tahirin’entanao. Harodany ny mandanao, horavany ny tranonao tsara tarehy; ka ny vato sy ny hazo ary ny ampiantany tamin’ireny kosa dia hariany any an-dranomasina.
13Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.
14Vatolampy mangadihady sisa no havelako ao aminao mba hanahazan’ny mpanarato ny haratony, ka tsy harenina intsony ny tanànanao. Izaho TOMPO no manambara; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›
15«Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny tanànan’i Tiro hoe: ‹Ny mponina any amoron-tsiraka lavitra any dia hangovitra raha mandre ny firodanao sy ny tolokon’ireo naratra tamin’ny fandringanana tao anatinao.
16Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin’ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra, satria ory loatra noho ny manjo anao.
17Ary hihira izao hira fisaonana izao ny aminao izy hoe:
Indrisy! Rava tokoa ilay tanàna malaza,
fongotra teo an-dranomasina izy.
Nahery teo an-dranomasina izy sy ny mponiny
ka nampihorohoro ny besinimaro.
18Ankehitriny kosa ny mponina amoron-tsiraka
dia mangovitra noho ny andro nirodanany;
ary ny mponin’ny nosy any an-dranomasina
dia varahontsana noho ny nanjavonany.›
19«Fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hataoko tahaka ireo tanàna rava tsy misy mponina ianao. Hampiakariko avy any amin’ny lalina ny ranobe hanafotra anao.
20Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin’ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin’ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin’ny tanin’ny velona intsony.
21Ho raiki-tahotra ny olona rehetra noho ny nanjo anao satria tsy ho eo intsony ianao. Hokarohina ny sisa momba anao, nefa tsy hisy hahita anao intsony na oviana na oviana; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.