1Hitan’i Jônatàna fa nanambina azy ny toe-javatra; ka nifidy olona izy nalefany tany Rôma mba hanamafy sy hanavao ny fihavanan’ny Jiosy amin’ny Rômanina.
2Nandefasany taratasy araka izany tanjona izany koa i Sparta sy ny tanàna hafa.
3Ary nankany Rôma ireto iraka, dia niditra tao amin’ny Antenimieran-doholona, ka nanao taminy hoe:
–I Jônatàna mpisorombe sy ny firenena jiosy no naniraka anay ho aty aminareo mba hanavao ny fihavanana amam-pifanekenareo aminy toy ny teo aloha.
4Dia nomen’ny Antenimieran-doholona taratasy ireto iraka mba ho an’ny manampahefana rômanina any amin’ny isan-tanàna holalovany; ka hataon’ireo manampahefana ireo izay hiverenan’ny iraka soa aman-tsara any Jodea.
5Izao kosa no kopian’ny taratasy nalefan’i Jônatàna ho an’ny mponin’i Sparta:
6–Izaho Jônatàna mpisorombe sy ny loholom-pirenena ary ny mpisorona mbamin’ny vahoaka jiosy ankoatr’ireo no manoratra aminareo havanay monina ao Sparta ary koa miarahaba anareo.
7Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin’i Ônià mpisorombenay; i Areiôsa, izay nanjaka taminareo fahiny, no nandefa io taratasy io ka nilaza fa havanay ianareo, araka ny voaporofon’ny kôpia etsy ambanin’ity taratasiko ity.
8Noraisin’i Ônià tamim-pomba manetriketrika ny irakareo; ary noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fiaraha-miasa sy fisakaizana.
9Efa manana ny boky masina eo am-pelatananay izahay ho fiononam-po, ka tsy voatery hila izany zavatra izany;
10saingy niezaka nandefa iraka taty aminareo ihany izahay hanavao ny fifankatiavana amam-pisakaizana ifamatorantsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; taona maro manko izay no efa lasa, hatramin’ilay nandefasanareo iraka taty aminay.
11Izahay aloha, amin’ny fotoana rehetra, dia tsy mitsaha-mahatsiaro anareo fony manolotra sorona sy mivavaka na amin’ny fety fankalàzanay na amin’ny andro masina hafa, araka izay mety sy tokony hahatsiarovan-kavana.
12Ifalianay koa ny lazanareo;
13saingy izahay no hodidinin-doza maro amam-pamelezana tsy an-kijanona ary iadian’ireo mpanjaka manodidina anay.
14Tsy satrinay tamin’izany ny nanahirana anareo sy ireo mpiara-miasa aminay ary sakaizanay hafa koa.
15Fa manana ny vonjy avy amin’Andriamanitra hanampy anay izahay; ka dia Izy no manafaka anay sy manetry ny fahavalonay.
16Kanefa nofidinay i Nomeniôsa zanakalahin’i Antiôkôsa ary koa i Antipatera zanakalahin’i Jasôna, ka nirahinay ho any amin’ny Rômanina mba hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa nifanaovanay fahiny taminy.
17Nohafaranay izy roa lahy hankaty aminareo koa mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fihavanantsika.
18Ary ankehitriny, dia ny mamaly anay ny amin’izany no mety hataonareo.
19Izao no kopian’ny taratasy efa nampitondraina taloha tamin’i Ônià:
20–Izaho Areiôsa, mpanjakan’i Sparsiata, no manoratra aminao, ry Ônià mpisorombe, ary miarahaba anao.
21Misy tahirin-tsoratra momba ny Sparsiata sy ny Jiosy nahitana fa mpihavana ny firenena roa tonta ary samy taranak’i Abrahama.
22Ka amin’izao ahalalantsika an’izany izao, tsara ho anay ny anoratanareo ny amin’ny toe-karenareo.
23Fa izahay kosa dia manoratra aminareo hoe: «Anareo ny biby fiompinay sy ny fanananay tahaka ny maha anay ny biby fiompinareo sy ny fanananareo. Noho izany, omenay baiko ny irakay hanao filazana araka izany aminareo.»
Nandositra teo anoloan’i Jônatàna ny tafik’i Demetry24Nahare i Jônatàna fa niverina hamely azy ny jeneralin’i Demetry, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.
25Ka niala tao Jerosalema i Jônatàna, dia lasa nisehatra azy tao amin’ny faritr’i Hamata; fa tsy navelany ho afa-kitsofoka amin’ny taniny akory ireo.
26Nandefa mpitsikilo ho any an-tobin’ny fahavalo i Jônatàna; ka nony tafaverina ireo, dia nilaza fa nikasa hanao sovok’ady amin’ny alina ny tafika sirianina.
27Nony lentika ny masoandro, dia nodidian’i Jônatàna ireo mpomba azy mba hiari-tory ka hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady; ary nandefasany mpitily koa manodidina ny toby israelita.
28Ren’ny fahavalo kosa fa mivonon-kiady i Jônatàna sy ireo mpomba azy, ka raiki-tahotra mafy izy; nivadi-po ny tafika sirianina, dia nandrehitra afo teo an-toby ary lasa nandositra.
29Maraina ihany vao fantatr’i Jônatàna sy ireo mpomba azy ny zava-nitranga, satria hitany nirehitra hatrany ny afo.
30Dia lasa nanenjika ny fahavalo i Jônatàna, nefa tsy nahatratra azy intsony fa efa tafita ny ony Eleotera ireo.
31Tamin’izay i Jônatàna dia nihodina hamely an’ireo Arabo atao hoe Zabadeanina; noreseny ireo ary nobaboiny ny fananany.
32Avy teo izy dia nankany Damasy sady nitety ny faritra manontolo.
33I Simôna koa teo an-daniny dia niainga hiantafika sy nandroso hatrany Askelôna sy hatrany amin’ireo tranomimanda mifanila aminy; dia nihodina nankany Jôpa izy sy nitana an’io tanàna io,
34satria reny fa nikasa hanolotra ny tranomimanda amin’i Demetry ny mponina; ka dia nametrahany andia-miaramila teo mba hiambina azy.
Nohamafisin’i Jônatàna i Jerosalema35Nony tafaverina tao Jerosalema i Jônatàna, dia namory ny loholom-bahoaka; ka tapa-kevitra ny mpivory fa hanorina tranomimanda ao Jodea.
36Tinapany koa ny hanondrotra ny mandan’i Jerosalema, ary ny hanisy tamboho avo eo anelanelan’ilay toera-mafy sy ny tanàna mba hampisaraka azy roa ireo; ka hiavahan’ny toera-mafy sady tsy hahazoana mivarotra na mividy zavatra amin’ny miaramila sirianina mitoby ao.
37Nifarimbona hanao ny fanarenan-tanàna ny mponina, indrindra fa nirodana ny manda manamorona ny lohasahan-driaka Kidrôna; ary namboarina koa ny ampahan’ny tanàna atao hoe Kafenatà.
38I Simôna kosa nanorina an’i Hadidà teo amin’ny lemak’i Sefelà, dia nanisy vavahady sy hidy mafy azy.
Nataon’i Trifôna sambo-belona i Jônatàna39I Trifôna dia naniry hanjaka amin’i Azia sy hitondra ny satroboninahi-panjakana ary hamono hahafaty an’i Antiôkôsa mpanjaka.
40I Jônatàna no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy; ary nitady izay hevitra hisamborana an’i Jônatàna sy hamonoana azy i Trifôna, ka lasa nankany Bety-Seàna.
41Fa niroso hitsena azy koa i Jônatàna nitondra miaramila voafantina nisy andiany efapolo, ka nandroso ho any Bety-Seàna.
42Rehefa nahita an’i Jônatàna tonga nomban-tafika goavana i Trifôna, dia tsy sahy nisambotra azy
43fa nandray azy tamim-pomba manetriketrika sady nanolotra fanomezana ho azy; nentiny haseho tamin’ny sakaizany rehetra izy ka nodidiany avokoa na ireo sakaizany na ireo miaramilany hanoa azy toy ny tenany.
44Avy eo izy dia niteny tamin’i Jônatàna hoe:
–Ahoana ange no dia nanasaranao io tafika manontolo io, nefa tsy misy ady akory amintsika?
45Koa ampodio ho any an-tranony ireo miaramila ireo; fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha ianao hiaraka amiko ho any Ptôlemaîda. Hatolotro anao manko io tanàna io mbamin’ny tranomimanda hafa ary koa ny miaramila tavela ao sy ny mpiasam-panjakana rehetra, satria izany no nankanesako aty. Avy eo aho vao hiverina any Antiôkia.
46Natoky an’i Trifôna i Jônatàna ka nanao araka izay nolazainy; nampodîny ny tafiny, ary niverina ho any Jodea ireo.
47Andiany telo monja no miaramila notanan’i Jônatàna teo aminy, ka ny andiany roa nalefany ho any Galilea fa ny andiany anankiray no hany nanaraka azy.
48Kanjo vantany vao tafiditra tao Ptôlemaida i Jônatàna, dia nohidian’ny mponina ny vavahady; nosamborin’ireo i Jônatàna, ary novonoiny tamin’ny sabatra kosa izay rehetra niara-niditra taminy.
49Nandefasan’i Trifôna miaramila sy mpitaingin-tsoavaly koa tany Galilea sy tany amin’ny lemaka lehibe mba hamono ny miaramila rehetra napetrak’i Jônatàna.
50Noheverin’ireo kosa fa voasambotra i Jônatàna sady niara-novonoina tamin’izay nanaraka azy; ka nifampirisika izy, dia nandroso nilahatra nifanety sy vonon-kiady.
51Nony hitan’ireo mpanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy tokoa ny andian-tafika anankiroa, dia niverina ilalana izy;
52ny miaramila israelita rehetra kosa tonga soa aman-sara tany Jodea. Nitomany an’i Jônatàna sy ny namany izy, sady raiki-tahotra mafy; i Israely manontolo kosa nanao fisaonana lehibe.
53Tamin’izay ny hafa firenena rehetra manodidina no nitady handevona an’i Israely, fa hoy ireo anakampony hoe: «Efa tsy manana filoha na mpanampy intsony ny Jiosy; ka ndeha hasiantsika amin’izao ireo, dia hataontsika fongotra ny fahatsiarovana azy eo amin’ny olombelona.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.