1Hoy ianareo roa tonta hoe:
«Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika;
fa Izy no nahatonga ny ratrantsika,
nefa Izy ihany no hahasitrana antsika.
Izy no nikapoka antsika
nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
2Rehefa afaka roa andro,
dia hovelominy indray isika;
amin’ny andro fahatelo
dia hatsangany indray isika
ho velona eo anatrehany.
3Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika;
eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika!
Azo antoka toy ny mazava atsinanana
ny firotsahany hanao izany.
Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika,
dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»
4Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe:
«Inona no hataoko aminao, ry Efraîma?
Inona no hataoko aminao, ry Joda?
Fa ny fitiavanareo Ahy
dia toy ny zavona maraina
na tahaka ny ranon’ando
izay levona vetivety!
5Koa ny hafatr’ireo mpaminany
no ikapohako anareo;
ny vavako no milaza
fa entiko hovonoina ianareo.
Ary ny didim-pitsarako ny aminareo
dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.
6Fitiavana no sitrako fa tsy sorona
;ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra
dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»
Zava-mahatsiravina tao Israely7Tao Adama kosa ianareo
no nandika ny fanekempihavanana
tao ianareo no namadika Ahy.
8I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy,
izay mamela dian-dra amin’ny falehany.
9Tahaka ny jiolahy manotrika
no ataon’ny andia-mpisorona
ka amonoany olona ho faty
eny an-dalana mankany Sekema;
zava-mahatsiravina afitsony!
10Zava-maharikoriko no hitako
tao amin’ny fanjakan’i Israely.
Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao
ka mahaloto an’i Israely.
11Ny aminao koa, ry Joda,
dia efa voatendry ny fijinjana anao.
Korontana sy loza mananontanonaRehefa Izaho TOMPO kosa
hanarina indray ny vahoakako
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.