Salamo 99 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Andriamanitra masina no mpanjakantsika

1Ny TOMPO no mpanjaka,

hany ka mangovitra ireo vahoaka.

Ambony kerobima ny sezafiandrianany,

hany ka mihorohoro ny tany.

2Lehibe ao Tsiôna ny TOMPO,

avo ambonin’ny firenena rehetra Izy.

3Aoka ireo hidera ny anaranao

izay lehibe sy mampitolagaga,

satria masina tokoa Ianao!

4Ry mpanjaka mahery sy tia rariny ô,

Ianao no nampiorina ny hitsiny

sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana

teo amin’ny taranak’i Jakôba.

5Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika;

Izy no masina ka iankohofy

eo anoloan’ny fitoeran-tongony.

6I Mosesy sy i Aharôna

tamin’ireo mpisorony

ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy

dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.

7Tao anaty andry rahona ny Tompo

no niteny tamin’ny vahoakany;

dia nankatoavin’ireo ny baikony

mbamin’ny fitsipika nomeny azy.

8TOMPO Andriamanitray ô,

Ianao mihitsy no mamaly azy;

fa Andriamanitra nahari-po taminy Ianao,

nefa kosa nanafay azy noho ny ratsy nataony.

9Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika;

eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika

ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help