1Hafa noho izany kosa izay mampifantoka ny fony
handinika ny lalànan’ilay Avo Indrindra
ka mianatra ny fahendren’ntaolo rehetra
ary manokana ny fotoana malalaka
hieritreretana ny hafatr’ireo mpaminany.
2Halatsany ao am-pony ny tantaran’ny olo-malaza
ary hotakariny ny fanoharana saro-pantarina.
3Hianarany ny hevi-miafin’ny oha-bolana
ary handaniany andro ny fanoharana misy ankamantatra.
4Koa eo afovoan’ny lehibe no hanompoany,
ary eo anatrehan’ny mpanapaka no hisehoany;
izy no halefa hankany an-tany hafa,
satria samy efa tsapany avokoa
ny lafy tsara sy lafy ratsy eo amin’ny olona.
5Mazoto fo tokoa izy raha vao maraina
mba hankeo amin’ny Tompo Izay nahary azy,
ka hivavaka eo anatrehan’ilay Avo Indrindra;
eny, hisoka-bava hiloatra tonombavaka izy
ary hanao fifonana noho ny fahotany.
6Raha sitrak’ilay Tompo lehibe izany,
dia ho feno ny fanahy fahiratan-tsaina izy,
hamafy mikararana ny teny fahendrena,
ary hanome saotra ny Tompo amin’ny fivavahany.
7Hitsiny no izoran’ny heviny sy ny fahaizany;
ary ny zava-miafin’ny Tompo no hoeritreretiny.
8Hampiseho ny fampianarana nanofanana azy izy,
ka ny hireharehany dia ny lalàna
izay mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.
9Maro no hidera ny fahiratan-tsain’ny mpahay lalàna,
ary tsy hohadinoina na oviana na oviana izany;
tsy mba ho levona ny fahatsiarovana azy
ary haharitra ny lazany eo amin’ny taranaka mifandimby.
10Ireo firenena hitanisa ny fahendreny,
ary ny fiangonana hanambara ny fiderana azy.
11Raha mbola velona izy, dia hamela laza
mihoatra noho ny an’ny olona arivo hafa;
ary raha maty izy, dia ampy azy izany.
Tsara avokoa ny asan’Andriamanitra12Tahaka ny volana fenomanana aho,
rehefa avy nieritreritra;
satria hevitra isan-karazany no mameno ahy,
ka tiako mbola holazaina izany.
13Ry zaza tia vavaka, henoy aho mba hitomboanareo
hoatra ny raozy maniry eo amoron’ny renirano.
14Aoka ianareo ho tahaka ny emboka manitra
izay mandradraraka fofona tsara,
ho tahaka ny lisy izay rakotra ny felany!
Manandrata feo ka miaraha-mihira ianareo
ary mankalazà ny Tompo amin’ny asa rehetra vitany.
15Ambarao fa lehibe ny anarany
ary iekeo Izy amin’ny fiderana Azy
ombàn’ny hira ventesinareo sy ny lokanganareo;
ka toy izao no teneno amin’ny fiekena Azy:
16Tsara dia tsara avokoa ny asa vitan’ny Tompo;
ary izay nalahany dia ho tanteraka amin’ny fotoany.
17Tsy mety ny manontany hoe: «Inona ity? Nahoana
izany?»,
fa hovaliana amin’ny fotoany avy ny fanontaniana rehetra.
Noho ny baikon’ny Tompo, dia niavosa ny rano
ho toy ny antontan-javatra iray ihany;
ary noho ny teny naloaky ny vavany
no niangonan’ny rano tao amin’ny fitobiany.
18Noho ny didiny, dia tonga izay rehetra sitraky ny fony;
ary tsy misy mahasakana ny famonjena entiny.
19Eo anatrehany avokoa ny asan’ny voaary rehetra
ary tsy misy azo afenina amin’ny masony.
20Mahita hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay Izy;
ary tsy misy na inona na inona mahagaga Azy.
21Tsy mety ny manontany hoe: «Inona ity? Nahoana
izany?»,
satria ny naharian’Andriamanitra ny zava-drehetra
dia samy misy tanjona kendreny aminy avy.
22Ny fitahian’ny Tompo dia tahaka ny ony mihoatra morona,
ary tahaka ny tondra-drano mihanaka mamonto tany.
23Toy izany koa no iamparan’ny fahatezerany
mba ho anjaran’ny firenena mpanompo sampy,
tahaka ny hita tamin’ny nanovany
faritra vonton-drano ho tanin-tsira.
24Ho an’ny olona tia vavaka
dia mahitsy ireo lalana soritan’ny Tompo;
fa ho an’ny tsy mpivavaka kosa
dia fanakantsakanana ireny.
25Ny zava-tsoa hatramin’ny voalohany,
dia noarîna ho an’ny tsara fanahy;
fa ny zava-dratsy kosa no ho an’ny mpanota.
26Ireto no zavatra ilaina indrindra
mba hiveloman’ny olombelona:
dia ny rano, ny afo, ny vy, ny sira,
ny lafarinina, ny ronono, ny tantely,
ny divay, ny diloilo ary ny fitafiana.
27Mahasoa avokoa ireo ho an’ny olona tia vavaka,
fa miova ho ratsy kosa hoan’ny mpanota.
28Misy rivotra noarîna mba hanaovana famaizana,
ka ny fisafoahany no mampitombo ny loza afitsony;
amin’ny andro fandravana, dia hanampatra hery izany
ary hampitony ny fisafoahan’Ilay nanao azy.
29Afo sy havandra, mosary sy fahafatesana:
ireny rehetra ireny dia noarîna hanaovana famaizana.
30Ireo vangin’ny biby masiaka, ireo maingoka sy ireo
menarana,
ary ny sabatra izay manasazy ny mpankahala fivavahana
31dia samy faly mampihatra ny baikon’ny Tompo.
Eto ambonin’ny tany ireo zavatra ireo
dia samy vonona ho amin’ny ilàny azy;
ka rehefa tonga ny fotoanandro,
dia tsy hodikainy ny teniny.
32Izany no nampiorina mafy ny hevitro,
nanomboka hatreo am-boalohany;
ka nony efa nanao fandinihana aho,
dia nampandry azy an-tsoratra toy izao:
33«Tsara avokoa ny asa rehetra ataon’ny Tompo
ary ataony vonona amin’ny vanim-potoany
ny zavatra isan-karazany tokony ho ilaina.
34Tsy mety ny milaza hoe: Ratsy noho io ity;
fa samy hoekena ho tsara avokoa
ireny rehetra ireny amin’ny fotoanandrony.
35Koa ankehitriny, mihirà eram-po eram-bava
ary mankalazà ny anaran’ny Tompo!»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.