Jôba 34 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Miampanga an’i Jôba i Elihò

1Dia nanohy ny teniny i Elihò ka nanao hoe:

2Mandrenesa izay holazaiko, ianareo olon-kendry;

ary ianareo ela nihetezana lava volo, mihainoa,

mba manongilàna sofina hihaino ahy.

3Fa adidin’ny sofina ny mamantatra ny teny

ary adidin’ny lanilany kosa

ny mahatsapa tsiron-kanina.

4Koa aoka hodinihintsika izay rariny,

ary aoka hiarahantsika miaiky izay tsara.

*

5Fa i Jôba efa nanao hoe: «Tsy manan-tsiny aho,

saingy tsy omen’Andriamanitra rariny.

6Tsy mitsara ahy ara-pahamarinana Izy;

fa na dia tsy meloka akory aza aho,

dia zana-tsipîka hahafaty ahy no alefany.»

7Moa misy lehilahy tahaka an’i Jôba va?

Ny maneso fivavahana no rano fisotrony.

8Miara-dalana amin’ny mpanao heloka izy

ka ny olon-dratsy no iray dia aminy.

9Fa niteny izy hoe: «Tsy mahasoa ny olona

ny mihavana amin’Andriamanitra.»

*

10Koa mihainoa ahy, ianareo olo-mahalala:

Sanatria an’Andriamanitra ny hanao ratsy

ary lavitra an’ilay Tsitoha ny tsy fahamarinana.

11Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy

ka manome azy araka ny fitondrantenany.

12Ny marina dia izao: Andriamanitra Tsitoha

dia tsy mba manao ratsy mihitsy

ary tsy manitsakitsaka ny rariny.

13Iza moa no nanendry azy hifehy ny tany?

ary zovy no nanankina izao tontolo izao taminy?

14Raha tsy nihevitra afa-tsy ny tenany ihany Izy

ka nanangona ho azy samirery ny fofonaina,

15dia hiara-maty avokoa ny miaina rehetra,

ary hody vovoka indray ny olombelona.

*

16Satria olon-kendry ianao, dia mandrenesa

ka mampandria sofina amin’izay lazaiko:

17Raha tsy tia rariny Andriamanitra,

moa afaka hifehy izao rehetra izao ve Izy?

Ary hohelohinao ve Ilay Marina sady Mahery

18izay afa-miteny amin’ny mpanjaka hoe: «Olom-poana»,

sy amin’ireo zanak’andriana hoe: «Olon-dratsy»?

19Tsy mitongilana amin’ny lehibe Izy

na mampandefitra ny mahantra

eo anoloan’ny mpanankarena,

fa asan’ny tanany avokoa izy rehetra.

20Ao anatin’ny indray mipy maso monja

amin’iny mamatonalina iny

no mety hahafatesan’ny olona.

Aringan’Andriamanitra ny mpanankarena

dia manjavona tsy hita intsony;

ary lasa tsy natosiny akory ny mahery.

21Fa arany maso ny toetran’ny olona,

ary hitany avokoa ny lalan-kalehany.

22Tsy ny haizim-pito na ny alo-mainty

no tsy ahitany ny mpanao ratsy.

*

23Andriamanitra tsy mila manao famotorana olona

izay tonga eo anatrehany mba hotsarainy.

24Fa montsamontsaniny ny olo-mahery

na dia tsy misy fakana am-bava aza,

ka soloiny olon-kafa ny toerany;

25satria fantany mihitsy ny asan’ireo.

Ka amin’ny indray alina ihany

no anonganany azy ho montsana.

26Tehamaina eo imasom-bahoaka

no namelezany azy toa olo-meloka.

27Satria niala tamin’Andriamanitra ireo

ka tsy niraharaha ny sori-dalany rehetra.

28Izany no nanesika ny mahantra sy ory

hiantso vonjy amin’Andriamanitra;

ka henony tokoa ny fitarainany.

*

29Raha mangina Andriamanitra,

zovy no hanameloka Azy?

Raha manafin-tava Izy,

zovy no hahita Azy?

Kanefa miahy ireo firenena

sy ny olombelona rehetra Izy

30mba tsy hanjakàn’ny olon-tsy mendrika,

mpanao kobaka am-bava amin’ny vahoaka.

31Fa raha misy manao amin’Andriamanitra hoe:

«Efa namita ny saziko aho,

ka tsy hanao ratsy intsony.

32Asehoy ahy izay heloko tsy mbola hitako;

fa raha nanao ratsy aho

dia tsy hamerina izany intsony.»

33Araka ny hevitrao be tsikera io, ry Jôba,

moa hanafay azy va Andriamanitra?

Koa satria tsy izaho no manapaka fa ianao,

dia lazao izay fantatrao.

*

34Hiteny ny olo-manan-tsaina

ka hanao toy ny olon-kendry

izay mihaino ahy hoe:

35«Miteny zavatra tsy fantany i Jôba

ka tsy misy dikany akory izay lazainy.

36Enga anie ka hosedraina mafy izy

mandra-pahatonga azy hilefitra,

satria ny valin-teny nataony

dia tahaka ny an’ny olon-dratsy!

37Fa mpanota izy sady mpikomy amin’Andriamanitra

hany ka manao teny maro hanoherana Azy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help