Fahendrena 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Amin’izay ny olo-marina dia hijoro

amim-pahatokiana fatratra

eo anoloan’izay nampahory azy

sy nanamavo ny fikelezany aina.

2Koa raha mahita azy fotsiny ireo,

dia hangitakitaky ny tahotra,

sady ankona hahita azy voavonjy

tsy araka ny nanampoizany azy.

3Hanenina be vava ireo ka hifampiteny

ary hitoreo amim-pangitaham-po hanao hoe:

4«Indro ilay nataontsika fihomehezana fahiny

sy lasibatry ny fanarabiantsika.

Olona tsy nisaina isika

nihevitra ny fiainany ho fahadalana

ary ny fahafatesany ho fahafaham-baràka.

5Kanjo indro izy ankehitriny

fa isan’ireo zanak’Andriamanitra

ka manana anjara eo anivon’ny anjely.

6Noho izany, isika no naniasia

lavitry ny lalam-pahamarinana;

tsy mba nanazava antsika

ny fahazavàm-pahamarinana

ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro.

7Ny lalan’ny tsy fahamarinana sy ny fahaverezana

no nizorantsika hanaranam-po;

namakivaky ny taniefitra tsisy lalana,

nefa tsy te hahalala ny sori-dalan’ny Tompo.

8Inona no soa azontsika tamin’ny avonavontsika

sy ny harena izay nireharehantsika?

9Nandalo toy ny aloka ireny rehetra ireny,

ary mora hadino toy ny hafatra

izay ampitain’olona mihazakazaka.

10Mitety onja mahery ny sambo;

kanefa tsy hita ny soritry ny fandalovany

na ny mariky ny vatan-tsambo eny anivon-drano.

11Mamakivaky habakabaka ny voro-manidina;

kanefa tsy misy hamantarana ny lalan-kizorany,

satria kopahiny elatra ny rivo-malefaka

ary manezaka mafy izy manavatsava azy;

avy eo tsy hita akory ny mariky ny fandalovany.

12Ny zana-tsipîka dia alefa amin’izay kendrena;

fa rehefa mikatona ny rivotra notriariny,

dia tsy fantatra intsony izay lalana narahiny.

13Isika koa dia toy ny sambo

na ny voro-manidina na ny zana-tsipîka.

Fa teraka isika, avy eo dia manjavona;

ka tsy mba misy azontsika aseho akory

izay mariky ny hatsaram-panahy,

fa ny haratsiantsika ihany no nandevona antsika.»

14Eny, ny fanantenàn’ny tsy mpivavaka

dia tahaka ny akofa entin’ny rivotra,

na tahaka ny fanala maivana faohin’ny tadio,

ho foana toy ny setroka aelin’ny tsio-drivotra izany

ary ho levona toy ny fahatsiarovana vahiny

izay nihelina indray andro monja.

Ny voninahitry ny olo-marina

15Fa velona mandrakizay kosa ny olo-marina;

hanome valisoa azy ny Tompo,

ary hiahy azy ilay Avo Indrindra.

16Avy amin’ny tanan’ny Tompo no handraisany

ny fanjakana mamirapiratra

sy ny satroboninahitra kanto.

Fa ny tanany ankavanana no iarovany azy;

ary ny sandriny no anaronany azy toy ny ampinga.

17Handray ny zotom-pony ho enti-miady Izy

ary hampirongo fiadiana ny zava-boaary

hamelezana ny fahavalony.

18Hitafy ny fahamarinana Izy

ho akanjo vy fiarovan-tratra,

handray ny fitsarana ara-drariny

ho satro-by fiarovan-doha,

19handray ny fahamasinana

ho ampinga tsy mety resy,

20ary hampiasa ny fahatezerany tsy azo ifonana

ho sabatra maranitra;

izao tontolo izao koa

dia hiaraka amin’ny Tompo

hiady amin’ny adala.

21Tahaka ny zana-tsipîka alefa

amin’izay ikendrena azy

avy amin’ny tsipîka voahenjana mafy

no hitsoriahan’ny tselatra avy amin’ny rahona

ka hiantefany mahitsy amin’ny tanjona.

22Hilatsaka mivatravatra ny havandra

toy ny vato alefan’ny antsamotady.

Hisafoaka ny onjan-dranomasina

hamely ireo fahavalon’Andriamanitra;

ary hanafotra azy tsisy indrafo ny ony.

23Hifofofofo hamely azy ny rivo-mahery

ka hampihahaka azy toa tadio.

Dia hiova ho taniefitra ny tany manontolo

noho ny tsy fahamarinany;

ary ny ratsy nataon’ireo manampahefana ihany

no hampiongana ny sezafiandrianany.

Tokony hitady ny fahendrena ny mpanjaka
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help