Salamo 140 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavak’olona voaendrikendrika

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO ô, vonjeo ho afaka amin’ny olon-dratsy aho

ary arovy tsy ho azon’ny olon-dozabe

3izay misaina haratsiana ao am-pony

ka manangana ady isan’andro vaky.

4Toa mandrani-dela hanindrona tahaka ny bibilava ireo,

toa poizi-menarana ny teny avoakan’ny vavany.

Fiatoana

5TOMPO ô, ambeno tsy ho voatanan’ny olon-dratsy aho,

arovy tsy ho azon’ny olon-dozabe

izay nihevitra handronjina sy hamotraka ahy.

6Efa nanafim-pandrika hamelezana ahy ny mpiavonavona:

eny, nanenjan-tady sy harato teo amoron-dalana ireo

ary nametraka tadivavarana mba hahazoany ahy.

Fiatoana

7Hoy kosa aho tamin’ny TOMPO: «Ianao no Andriamanitro.

TOMPO ô, mba henoy izany feoko mitaraina aminao!

8Ry TOMPO Andriamanitra Mpamonjy mahery ô,

nosaronanao ny lohako tamin’ny andro niadiana.

9TOMPO ô, aza tovinao izay irîn’ny olon-dratsy,

aza avela hahomby ny fikasany!»

Fiatoana

10Be rehaka lalandava ireo fahavalo manemitra ahy;

ka ny ratsy notonontononiny anie hanototra azy!

11Vainafo miredareda anie

no toy ny orana halatsaka aminy;

lavaka lalina tsy hainy hiakarana anie

no hamarinana azy ao anaty afo!

12Aoka ny olo-mahay vava tsy honina amin’ny tany,

ary ny olon-dozabe hoenjehin’antambo ka tsy hamelany!

13Fantatro, TOMPO ô, fa hotandrovinao ny zon’ny ory

ary hamoahanao fitsarana ara-drariny ny mahantra.

14Eny tokoa, ny olo-marina hisaotra Anao

ary ny olo-mahitsy hitoetra eo anoloanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help