Jôba 39 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia?

voadinikao ve ny diera vavy raha miteraka?

2Firy volana no itondrany vohoka raha voaisanao,

ary fantatrao ve ny fotoana fiterahany?

3Mitorovoka izy mandatsaka ny zanany

sady mampisinda ny fanaintainany.

4Any an-kodahoda any ireo zanany ireo

no mihamatanjaka sy mihalehibe

ka lasa tsy miverina intsony.

*

5Iza no nandefa ny borikidia hikarenjy?

Zovy no namaha fatorana azy handeha?

6Fa efa nomeko ho fitoerany ny tany hay,

ary ho fonenany kosa ny tanin-tsira.

7Tsy raharahainy ny tabataba ao an-tanàna

ary tsy mba reny na oviana na oviana

ny fitrerotreron’olona mpampiasa.

8Ny tendrombohitra fitetiny no fihinanany,

ka rehefa ahi-maitso dia katsahiny avokoa.

*

9Hanaiky hanompo anao ve ny ombimanga

ka handry ao am-pahitrao amin’ny alina?

10Voafolakao hiasa ny sahanao ve izy

sy hitarika hersa eny an-dohasaha?

11Hatoky azy noho ny tanjany ve ianao

ka hamela ny asanao hovitainy?

12Hiantehitra aminy hampiditra ny vokatrao

sy hanangona izany am-pamoloana ve ianao?

*

13Faly mikopakopaka elatra ny ôtrisy;

kanefa tsy mampalemy fanahy azy toy ny vano

na ny elany na ny volo malefaka ananany.

14Fa raha mandao ny atodiny amin’ny tany izy

ka mamela azy hokotrehin’ny fasika mafana,

15dia tsy ahiny mety hisy mpanitsaka ireo

na mety ho voahosihosin’ny bibidia.

16Reny mafy fo amin-janaka ny ôtrisy,

fa ataony hoatra ny tsy azy akory ireo;

na dia very maina izay nisasarany,

dia tsy mampaninona azy mihitsy izany.

17Fa tsy mba nataoko manam-pahendrena izy

ary tsy mba nomeko anjara fahaizana.

18Kanefa raha vao mitraka sy miainga hihazakazaka izy,

dia tsy mahomby azy ny soavaly sy ny mpitaingina.

*

19Ianao ve no mampahatanjaka ny soavaly

na manafy vombo mihofahofa ny vozony

20na mampifalihavanja azy toa valala?

Mampihorohoro ny fihiakany sahisahy!

21Mihehy ao an-dohasaha izy

ary mientan-kafaliana asesiky ny heriny

ka mitroatra hisedra fiadiana.

22Tsy mampiraika azy ny tahotra ka tsy mivadi-po izy

ary tsy ny sabatra no hampihemotra azy.

23Mikorintsana eo an-damosiny ny tranon-jana-tsipîka;

manjelanjelatra kosa ny lefona sy ny sabatra.

24Mihoalahoalam-pahavinirana izy ka lasa miriotra

sady tsy tana rehefa maneno ny anjomara.

25Mihiaka izy raha vao mahare ny anjomara,

ary eny lavitra eny no anamboloany ny ady

sy ny treron’ny manamboninahitra ary ny akoran’ady.

*

26Fahaizanao ve no mampanidina ny papango

rehefa mamelatra ny elany hianatsimo izy?

27Baikonao ve no iakaran’ny voromahery

sy anaovany akany eny an-tendrombohitra?

28Ny haram-bato no onenany sy itoerany

dia ny tendrony maranitra tsy hay anihina.

29Avy eny no itiliany ny remby

fa mahatazan-davitra ny masony.

30Mitsentsi-dra aoka izany ireo zanany;

ka na aiza na aiza itoeran’ny faty,

dia ifamotoanan’ny voromahery.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help