Isaià 50 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tsy nisaraka akory Andriamanitra sy ny vahoakany

1Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO:

«Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo

fa noroahiko i Jerosalema reninareo?

Sa iza no nivarotako anareo ho andevo

mba ho fanefana ny trosako aminy?

Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo

ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.

2Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona;

nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly?

Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy?

Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka?

Indro mandrahona fotsiny Aho,

dia maina ny ranomasina

na manjary taniefitra ny ony.

Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano,

dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.

3Azoko atao ihany koa

ny mandrakotra mainty ny lanitra

ka mampitafy azy lamba fisaonana.

Ilay Mpanompon’ny Tompo(tononkira fahatelo)

4Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy

izay tokony holazaiko,

mba hahaizako mamoaka teny

hampahery ny reraka.

Isa-maraina Izy

dia manabe ahy hatrany hihaino

araka izay tokony hataon’ny mpianatra.

5Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nanokatra ny sofiko,

ka tsy manohitra Azy aho ary tsy mihemotra.

6Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy,

ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava.

Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana

sy ny fandrorana natao tamiko.

7Ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy,

koa tsy resin’ny fanevatevana aho;

ary nohamafisiko ho toy ny afovato ny tavako,

satria fantatro fa tsy ho menatra Aho.

8Eo akaikiko ny TOMPO, Ilay mpanamarina ahy.

Iza no hiady amiko?

Andeha isika hiara-miseho

eo anoloan’ny mpitsara!

Iza no ho mpanohitra ahy?

Aoka izy hanatona hifanatrika amiko!

9Eny, ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy,

ka iza no hanameloka ahy?

Indro izy rehetra mpanohitra ahy

fa hihasimba toy ny lamba mihatonta,

toy ny lamba lanin’ny kalalao.

Henoy ilay Mpanompon’ny Tompo

10Iza aminareo no manaja ny TOMPO?

Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony!

Raha misy mandeha amin’ny maizina

tsy ahitam-pahazavana mihitsy,

aoka izy hitoky sy hiankina

amin’ny TOMPO Andriamaniny!

11Fa ny aminareo rehetra izay mandrehitra afo

sy mirongo zana-tsipîka mandoro, dia izao:

ny afo natsanganareo ihany

sy ny zana-tsipîka narehitrareo

no anjara omanin’ny TOMPO ho anareo.

Ho faty amin’ny fahoriana mafy ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help