1Ry Jerosalema ô, avelao
ny akanjom-pahoriana manala baràka anao
ka iakanjoy mandrakizay
ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra.
2Itafio toy ny lamba matevina roa sosona
ny famonjena avy amin’Andriamanitra ho anao.
Aoka ny voninahitr’ilay Andriamanitra Mandrakizay
no ho toy ny satroboninahitra apetrakao eo an-dohanao.
3Satria hasehon’Andriamanitra
amin’ny tany tontolo ambanin’ny lanitra
ny famirapiratana izay atafiny anao.
4Ary ny anarana mandrakizay
izay homeny anao dia hatao hoe:
«Fiadanam-pamonjena,
sy famirapiratam-pitiavam-bavaka.»
5Miarena, ry Jerosalema,
mijoroa eo antampon-kavoana,
mitodiha any amin’ny fiposahan’ny masoandro
ary mitazàna manodidina anao;
jereo ny zanakao miangona avy any rehetra any,
hatrany atsinanana ka hatrany andrefana,
noho ny feon’ilay Andriamanitra Masina,
ka ravo tokoa fa notsarovan’Andriamanitra.
6Nandeha an-tongotra no nandaozany anao
sady natositosik’ireo fahavalony;
lanjaina amim-boninahitra kosa,
toy ny mpanjaka amin’ny sezafiandrianana,
no amerenan’Andriamanitra azy aminao.
7Fa nobaikoin’Andriamanitra hietry
ny tendrombohitra avo rehetra
sy ny dongom-pasika tsy hita fetra;
nasainy nototofana ny hadilalana
mba hitovy tantana ny tany,
satria ny vahoaka Israely
dia tiany handeha milamina
ombàn’ny voninahiny.
8Nobaikoin’Andriamanitra ihany koa
ny ala sy ny hazo mani-pofona rehetra
hanome alokaloka
ho an’ny vahoaka Israely.
9Fa hotantanan’Andriamanitra io vahoaka io,
ombàn-kafaliana sy hazavain’ny voninahiny,
satria namindrany fo sy novonjeny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.