1 Makabeo 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fitomaniana nataon’i Matatià mpisorona

1Tamin’izany vaninandro izany i Matatià, zanakalahin’i Jôhany sy zafin’i Simehôna sady mpisorona anisan’ny taranak’i Jôiariba, dia nanapa-kevitra hiala tao Jerosalema ka lasa niorim-ponenana tao Môdîna.

2Nanan-janaka dimy lahy izy, dia i Jôhany natao hoe Gadỳ,

3i Simehôna natao hoe Tasy,

4i Joda natao hoe Makabeo,

5i Elehazara natao hoe Avaràna, ary i Jônatàna natao hoe Afosy.

6Nahita ny fanimbazimbana nafitsoka eran’i Joda sy tao Jerosalema i Matatià

7ka nanao hoe:

Indrisy ity manjo ahy!

Teraka hahita ny faharavàn’ny fireneko

sy ny faharavàn’ny tanàna masina ve aho?

Teraka hijanom-poana eto ve aho,

kanefa ity tanàna eo am-pelatanan’ny fahavalo,

ity toeramasina eo am-pelatanan’ny hafa firenena?

8Ny tempoly dia tonga tahaka ny olona very haja;

9ny fanaka izay taratry ny voninahiny dia lasan-ko babo.

ny zazakely naripaka teny amin’ny kianja;

ny zatovo nalavon’ny sabatry ny fahavalo.

10Nifandimby naka fanjakana teto ny hafa firenena

ary nitondra ny anjara babony tamin’ity tanàna ity.

11Ny haingony rehetra nesorina taminy;

nahaleo tena izy fahiny,

kanefa andevozina ankehitriny.

12Kanto sy be voninahitra ny toeramasina nanananay,

saingy noravan’ny hafa firenena sy nozimbazimbainy.

13Ka inona intsony no mbola mahavelona anay?

14Tamin’izay i Matatià mbamin’ireo zanany lahy dia nandriatra ny fitafiany sy nisalotra akanjo fisaonana ary nitomany mafy dia mafy.

Nanainga fikomiana tao Môdîna i Matatià

15Tamin’izay ny iraky ny mpanjaka, nomena andraikitra hanery ny olona hivadi-pinoana, dia tonga tao Môdîna mba hampanao sorona amin’ny sampy.

16Israelita maro no niainga hitsena azy; fa i Matatià mbamin’ireo zanany lahy dia niray hina tsy niavaka.

17Niteny tamin’i Matatià ny irak’i Antiôkôsa, ka nanao hoe:

–Ianao no filoha voahaja sy lehibe eto amin’ity tanàna ity, sady tsara tohan’ireo zanakao aman-kavanao.

18Koa ianao no aoka hanatona voalohany hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka, toraka ny efa nataon’ny hafa firenena rehetra sy ny vatan-dehilahin’i Jodea, mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema. Dia ho anisan’ny «sakaizan’ny mpanjaka» ianao sy ny zanakao; firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro no hanomezam-boninahitra anareo.

19Dia namaly tamim-peo avo i Matatià ka nanao hoe:

–Na dia hanaiky an’i Antiôkôsa aza ny hafa firenena rehetra anatin’ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fivavahan-drazana sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,

20izaho sy ireo zanako aman-kavako dia hanaraka ny fanekempihavanana notanan’ny razanay.

21Sanatriavinay ny hanary ny lalànan’Andriamanitra amam-pitsipiny!

22Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay, ka tsy hiala amin’ny fivavahanay na hiankavia na hiankavanana.

23Vao tapitra niteny i Matatià, dia nisy lehilahy jiosy anankiray nandroso teo imason’ny besinimaro mba hanao sorona, araka ny didin’ny mpanjaka, eo amin’ny alitara natsangana tao Môdîna.

24Nony nahita izany i Matatià, dia nirehitra zotompo sady indray niontana ny tenany. Hatezerana araka ny lalàna no nisondrotra tao aminy ka nampiantoraka azy namono an-dralehilahy teo amin’ny alitara.

25Niaraka tamin’izay koa no namonoany an’ilay iraky ny mpanjaka, nanery hanao sorona; ary dia nazerany ny alitara.

26Toy izany no nirehetan’ny zotompon’i Matatià hiaro ny lalànan’i Mosesy, tahaka ny nataon’i Pinehasa izay namono an’i Zimry, zanakalahin’i Salò.

Narindran’ny Jiosy tena mpivavaka ny lazon’ady fanoherana

27Avy eo dia nandeha eran’ny tanàna i Matatià niantso tamim-peo avo hoe:

–Izay rehetra mirehitra zotompo hiaro ny lalànan’i Mosesy sy hitana ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra, samia miainga hanaraka ahy avokoa.

28Taorian’izany i Matatià sy ireo zanany lahy dia nandositra nankany an-tendrombohitra, ary nandao izay rehetra nananany tao an-tanàna.

29Tamin’izay koa dia nisy Jiosy marobe izay nikatsaka ny fahamarinana sy nilofo tamin’ny lalànan’i Mosesy, ka nidina ho any an-taniefitra;

30tapa-kevitra honina tany izy ireo mbamin’ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny, satria efa nitambesaran’ny lozam-panenjehana nanjo azy.

31Nilazana ny manamboninahitry ny mpanjaka mbamin’ny miaramila tao Jerosalema, teo amin’ny Tanànan’i Davida, fa nisy olona nitsipaka ny didin’ny mpanjaka, ary lasa nidina any amin’ny toeram-pierena any an-taniefitra.

32Dia nirohotra nanenjika azy ny andia-miaramila; ka rehefa nahatratra azy kosa ireo, dia nitoby tandrify azy sy nivonon-kamely amin’ny andro sabata.

33Hoy izy tamin’ireo mpandositra:

–Ampy izay! Mivoaha tao ianareo; tanteraho ny didin’ny mpanjaka, dia ho velona ianareo.

34Fa novalian’ny Jiosy hoe:

–Tsy hivoaka tato izahay ary tsy hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka, mampandika ny fepetran’ny andro sabata.

35Niaraka tamin’izay ny miaramila dia nandraikitra ady taminy;

36kanefa tsy namaly azy ny Jiosy na nitora-bato iray akory hanoherana azy na nanampina toeram-pierena.

37Fa hoy izy hoe: «Aoka izahay rehetra ho faty avokoa amin’ny hitsimponay! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo ho faty tsy an-drariny izahay.»

38Dia nasian’ny fahavalo tamin’ny andro sabata izy ireo mbamin’ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny. Tokony ho arivo no isan’ny olona maty.

39Nalahelo mafy i Matatià sy ireo sakaizany nandre izany famonoana ho faty izany,

40ka nifampilaza hoe: «Raha samy manao toy izany nataon’ny mpiray firenena amintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin’ny hafa firenena mba hiaro ny aintsika sy ny fomba amam-panaontsika, dia hofongorany vetivety eto ambonin’ny tany isika.»

41Koa tamin’izany andro izany ihany no nanaovany izao fanapahan-kevitra izao: «Na iza na iza tonga hamely antsika amin’ny andro sabata, dia hasiantsika; fa tsy hety hovonoina ho faty fotsiny isika, tahaka ny nahafatesan’ireo mpiray firenena amintsika tao amin’ny toeram-piereny.»

42Tamin’izay ny antokon’ny Hasidianina dia nomba an-dry Matatià koa: lehilahy mahery fo tao Israely ireo sady niraiki-po avokoa tamin’ny lalànan’i Mosesy.

43Ankoatra izany, nanatevina isa sy nampitombo hery azy koa izay rehetra nitady ho afaka amin’ny lozam-panenjehana.

44Dia nampijoro tafika iray izy mitambatra, ka namely tamin-katezerana sy tamin-kavinirana ireo mpivadika sy tsy mpivavaka; ny sisa tsy azony kosa dia nandositra any amin’ny hafa firenena mba hanavotra aina.

45Nanao fitetezana hatraiza hatraiza i Matatià sy ireo sakaizany mba handrava ny alitaran-tsampy.

46Noforany avokoa ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin’ny tanin’i Israely,

47ary noroahiny ny mpiavonavona amin’Andriamanitra; ka nahomby ny raharaha izay notarihiny.

48Ny lalànan’i Mosesy no narovany tamin’ny famelezana nafitsok’ireo hafa firenena sy ireo mpanjaka; ka tsy navelany hahazo vahana ilay mpanjaka mivoana.

Hafatra navelan’i Matatià sy fahafatesany

49Nony efa antomotra ny andro hahafatesan’i Matatià, dia hoy izy tamin’ireo zanany:

–Ankehitriny, manjaka ny avonavona sy faniratsirana,

ka andro fandravana sy fahatezerana mirehitra izao.

50Anaka, aoka ianareo hanana zotompo

hiaro ny lalànan’i Mosesy

ary hahafoy aina

ho an’ny fanekempihavanana notanan’ny razantsika.

51Tsarovy ny asa nataon’ny razantsika tamin’ny androny,

fa hahazo voninahitra sy laza maharitra mandrakizay

ianareo manahaka azy.

52Hita ho nahatoky i Abrahama

tamin’ny fizahan-toetra,

ka nankatoavana azy ho marina izany.

53Nitandrina ny didin’Andriamanitra i Jôsefa

tamin’ny androm-pahoriany,

ka tonga tompon’i Ejipta izy.

54Nanana zotompo nirehidrehitra

i Pinehasa razantsika,

ka nahazo antoka izy

fa ho mpisorona hatrany ny taranany.

55Nanatanteraka ny teny nanirahana azy i Josoa,

ka tonga mpitsara nitondra an’i Israely izy.

56Nijoro ho vavolombelona i Kaleba

teo anatrehan’ny Israelita tafangona,

ka nahazo zaratany anankiray ho lovany.

57Niraiki-po tamin’Andriamanitra i Davida,

ka nahazo sezafiandrianana maha mpanjaka

ho azy sy ho an’ny taranany mifandimby.

58Nanana zotompo nirehidrehitra i Elià,

hiarovana ny lalànan’Andriamanitra,

ka nopaohina ho any an-danitra izy.

59Natoky an’Andriamanitra

i Hananià sy i Hazarià ary i Misaela,

ka novonjena tsy ho azon’ny lelafo.

60Nahitsy fo i Daniela,

ka novonjena tsy ho azon’ny vavan’ny liona.

61Koa dinidiniho amin’izay

fa isaky ny taranaka mifandimby

dia tsy mba hiketraka

izay rehetra manantena an’Andriamanitra.

62Aza matahotra ny rahom-bava

ataon’io mpanjaka mivoana io,

fa ho fahalòvana aman-kankana

no hiafaran’ny voninahiny.

63Anio izy manandra-tena

fa rahampitso izy tsy ho hita intsony,

satria miverina amin’ny vovoka niaviany;

ka levona ny tetikadiny.

64Koa matanjaha sy mahereza fo ianareo, anaka,

hiorina amin’ny lalànan’Andriamanitra

satria izany no hanananareo voninahitra.

65Indro i Simehôna rahalahinareo! Fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka henoy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy.

66Aoka i Joda Makabeo, lehilahy tomady sy mahery fo hatramin’ny fahatanorany, no ho filohan’ny tafikareo sy hitarika ny ady amin’ny hafa firenena!

67Ianareo kosa, mamoria izay rehetra mitandrina ny lalàna mba homba anareo ary mamalia ny ratsy natao tamin’ny mpiray firenena aminareo.

68Atsingereno amin’ny hafa firenena ny nafitsony taminareo ary tandremo ny didy raketin’ny lalànan’Andriamanitra.

69Nony avy nitsodrano ireo zanany i Matatià, dia voaangona any amin’ny razany.

70Tamin’ny taona faha-146 no nahafatesany; ary tao amin’ny fasan-drazany no nandevenan’ireo zanany azy. Fisaonana lehibe no nataon’i Israely manontolo taminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help