Salamo 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Hafalian’ny olona nafahan’Andriamanitra tamin’ny fahafatesana

1 Hira malefaka nataon’i Davida.

Andriamanitra ô, arovy aho

satria Ianao no fialofako.

2Hoy aho tamin’ny TOMPO:

«Ianao tokoa no Tompoko

ka tsy misy hasambarako,

raha tsy eo akaikinao!»

3Ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny tany

no tena tsara laza ka sitrako fatratra.

4Fa izay mpirohotra amin’andriamani-kafa

dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy;

tsy mba hiaraka aminy velively aho

hanolotra ny fanati-dra izay ararany,

ary tsy hanonona anarana azy akory.

5TOMPO ô, Ianao no zarako sy lovako;

Ianao tokoa no mitantana ny hoaviko.

6Zava-mahafinaritra no voatendry ho ahy;

eny, ilay fananana soa indrindra no azoko.

7Isaorako ny TOMPO Izay manolo-tsaina ahy;

na amin’ny alina aza dia anarin’ny eritreritro aho.

8Ataoko eo anoloako mandrakariva ny TOMPO,

eo ankavanako Izy ka tsy hihontsona aho.

9Koa faly sy ravo ny fo amam-panahiko,

ary izany no itoerako amim-pahatokiana;

10satria Ianao tsy manary ahy

ho rembin’ny fonenan’ny maty

sady tsy mamela ahy hogiazan’ny fasana

noho izaho tena mpivavaka aminao.

11Ampahafantarinao ahy ny lalana

izay mankany amin’ny fiainana;

hafaliana no manenika ahy eo anatrehanao,

fahafinaretana mitohy no eo ankavananao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help