1 Salamo nataon’i Davida
An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy.
Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:
2Izy no nanorina azy teo ambony ranomasina
ka mampaharitra azy eo ambonin’ny onja.
3–Iza àry no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO?
Zovy no hahajoro ao amin’ny Toeramasiny?
4–Izay madio tanana sy mahitsy fo,
izay tsy nirona tamin’ny lainga
na nianiana hoenti-mamitaka.
5Ireo no handray ny fitahian’ny Tompo,
sy hoeken’Andriamanitra Mpamonjy ho marina.
6Izany no karazan’olona mitady an’Andriamanitra,
te hiatrika an’ilay Andriamanitr’i Jakôba!
Fiatoana
7Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran’ny mpanjaka be voninahitra!
8–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPO mahefa sy mahery,
ilay TOMPO mahery an’ady!
9Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran’ny mpanjaka be voninahitra!
10–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPOn’izao rehetra izao,
Izy no mpanjaka be voninahitra!
Fiatoana
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.