1Taorian’izany no nisehoan’i Elià,
ilay mpaminany mirehidrehitra hoatra ny afo;
nandoro tahaka ny harendrina ny teniny.
2Nantsoiny ny mosary hamely ireo foko tavaratra;
ary fatratra tokoa ny fitiavany ny Tompo,
hany ka nahavitsy isa ny vahoaka izy.
3Tamin’ny baikon’ny Tompo no nisakanany ny orana
ary koa nampilatsahany afo intelo avy any an-danitra.
4Voninahitra manao ahoana, ry Elià,
no azonao tamin’ny zava-mahagaga vitanao!
Iza no afaka hihambo ho mitovy aminao?
5Tamin’ny baikon’ilay Avo Indrindra
no nampitsangananao ny maty anankiray
hiala amin’ny fahafatesana indray
sy ho afaka amin’ny toeran’ny maty.
6Ny mpanjaka navarinao ho amin’ny faharavana
ary ny manamboninahitra nampidininao
avy eo am-pandriany mba ho any am-pasana.
7Tany Sinay, teo amin’ny tendrombohitra Hôreba,
no nandrenesanao ny Tompo nanome tsiny anao
sy namoaka didim-pitsarana hamaizana olona.
8Ianao no nanosotra mpanjaka ho solon’ny hafa
sy nanokana mpaminany handimby anao.
9Ianao no voapaoka tamin’ny tadio afo
tao anaty kalesy tarihin-tsoavaly afo.
10Araka ny voalazan’ny Soratra Masina,
dia ianao no voatendry ho an’ny vaninandro ho avy
mba hampitsahatra ny fahatezeran’Andriamanitra
alohan’ny fotoana hirehetan’izany;
ianao no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka
sy hampiverina ireo fokon’i Jakôba amin’ny toerany.
11Sambatra izay hahita anao
ka hodimandry hombàn’ny fitiavan’Andriamanitra!
Fa izahay koa dia ho velona aina tokoa.
I Elisà mpaminany12Rehefa nosaronan’ny tadio i Elià,
dia i Elisà no nanjary feno ny Fanahiny.
Nandritra ny andro niainan’i Elisà,
dia tsy nisy filoha izay nihorohoroany;
tsy nisy olona afaka naneritery azy.
13Tsy nisy zavatra tsy azony natao;
ary ny vatany tafandry tao am-pasana aza
dia mbola afaka naneho ny maha mpaminany azy.
14Fony mbola velona i Elisà, dia nanao zava-mahagaga;
ary rehefa maty izy, dia nahavita zava-mahatalanjona.
15Kanefa, na dia teo aza izany rehetra izany,
dia tsy niverina tamin’Andriamanitra ny vahoakany
ary tsy niala tamin’ny fahotana fanaony
mandra-pitondra azy lavitra ny taniny
ary mandra-pieliny eran’ny tany tontolo.
Nisy vahoaka vitsy tavela ihany ho an’ny fokon’i Joda
ary mpanjaka iray tao amin’ny fianakavian’i Davida.
16Ireo mpanjakan’i Joda nifanesy indray kosa,
ny sasany nanao izay sitrak’Andriamanitra
fa ny sasany nampiavosa ny fahotana.
I Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany17I Hezekià dia nanamafy an’i Jerosalema renivohiny
sady nitarika rano hankao anatiny;
nampandavaka vatolampy tamin’ny vy fihadiana izy
ary nampanao dobo fitahirizan-drano.
18Tamin’ny androny no niakaran’i Sanekeriba
mba hamely ny tanànan’i Jerosalema;
dia nirahin’i Sanekeriba ny komandin-tafiny,
izay nanangan-totohondry hiady amin’i Tsiôna
ary nirehaka fatratra nentanim-piavonavonana.
19Fa nihorohoro kosa tamin’izay
ny fo aman-tanan’ny mponina tao Jerosalema;
nanaintaina toy ny vehivavy miteraka ireo.
20Ny Tompo be indrafo no nantsoin’izy rehetra
sy nanandratany tanana hivavahana,
ary hatrany an-danitra ilay Masina
no namaly azy niaraka tamin’izay
ka nanafaka azy tamin’ny alalan’i Isaià.
21Nasian’ny Tompo ny tobin’ny Asirianina
ka naringan’ny anjeliny tokoa ireny;
22satria nanao izay sitraky ny Tompo i Hezekià
ary nifikitra mafy tamin’ny lalana
izay nizoran’i Davida razambeny,
araka ny nandidian’i Isaià mpaminany lehibe,
dia ilay mpaminany nahatoky tamin’ny fahitàny.
23Tamin’ny andron’i Hezekià koa
no nampihemoran’i Isaià ny masoandro
sy nanalavany ny fiainan’ny mpanjaka.
24Ilay Fanahy mahery no nahitany sahady ny andro farany
sy nampaherezany an’ireo tra-pahoriana tao Tsiôna.
25Nambarany ny tsy maintsy ho tonga
alohan’ny hahataperan’ny andro,
dia ny zava-hitranga mbola miafina
alohan’ny hahatanterahany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.