Isaià 29 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jerosalema teo am-bava loza nefa voavonjy tampoka

1«Indrisy, ry Ariela!

Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema,

nataon’i Davida fahirano fahiny!

Na hiverina isan-taona isan-taona aza

ny fitsingeringerenan’ny andro fety,

2dia hampahorîko ianao, hoy ny Tompo,

ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao,

ary ho tonga «ariela»-n’ny alitara ianao amiko.

3Hanao fahirano anao tahaka ny nataon’i Davida Aho

ary hanisy miaramila hanemitra anao

sy hanangana tovon-tany hamelezana anao.

4Haetry ianao ka hiteny

avy ao an-kibon’ny tany ao.

Hibitsibitsika ny feonao mamakivaky ny vovoka;

mova tsy feon’ny matoatoa miala avy amin’ny tany

sy misamoina avy ao amin’ny vovoka ny teninao.

5Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao,

toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao.»

Fa ho tampoka dia tampoka kosa

6no hiavian’ny famaliana hamonjena anao

avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao,

Izay hombàn’ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany

ary firohondrohona mafy,

hombàn’ny tadio sy ny tafio-drivotra

ary ny lelafo mandevona.

7Toy ny nofy na fahitana mihelina amin’ny alina

no hanjavonan’ireo firenena marobe mamely anao, ry Ariela,

dia ireo rehetra miady aminao

ka manangana tovon-tany hampahoriana anao.

8Ho tahaka ny olona mosarena manonofy mihinana,

kanjo nony taitra dia noana ihany ny kibony;

ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy misotro,

kanjo nony taitra dia trotraka

fa mbola maina ihany ny tendany;

ho tahaka izany ireo firenena marobe

izay miady amin’ny tendrombohitra Tsiôna.

Fahajambana sy fahamamoana

9Migagà ka mitalanjòna ianareo.

aoka ho jamba ka tsy hahita,

ho mamo nefa tsy amin-divay,

hivembena nefa tsy amin-toaka!

10Fa ny TOMPO efa nampidina

fanahy mampatory tao aminareo

ary notampenany ny masonareo,

–hilazana ireo mpaminany izany–,

sady nosaronany ny lohanareo,

–hilazana ny mpahita izany.

11Ny fanambaràna izany rehetra izany ho anareo dia miafina toy ny tenin’ny raki-tsoratra voaisy tombokase. Dia omena izay mahay mamaky teny izany ka iangaviana azy hoe: «Azafady, mba vakio kely ity». Fa hamaly izy hoe: «Tsy azoko atao izany, satria voaisy tombokase io raki-tsoratra io.»

12Dia omena izay tsy mahay mamaky teny indray izany ka iangaviana azy hoe: «Azafady, mba vakio kely ity»; fa hamaly izy hoe: «Tsy mahay mamaky teny aho.»

Mbola hanao zava-mahagaga hatrany ny Tompo

13Ary hoy ny Tompo hoe:

«Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny

sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany

fa ny fony kosa manalavitra Ahy;

ka fomban’olombelona nianarana ihany

ny fanajana asehony Ahy.

14Noho izany, indro Aho mbola hanao

zava-mahagaga ho an’ity firenena ity,

dia zava-mahagaga sy mahazendana;

fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny

ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»

Heverinareo ho iza ny Tompo

15Lozan’izay manao zavatra an-tsokosoko

ka manafina ny paikany amin’ny TOMPO

sy mamorona teti-dratsy ao amin’ny maizina.

«Iza no mahita antsika, hoy izy,

ary iza no mahalala izay ataontsika?»

16Oadray ity hadalànareo e!

Ny mpanefy ve hoheverinareo hitovy amin’ny tanimanga?

Ny taozavatra ve hanao amin’ny mpanao azy hoe:

«Tsy ianao no nanao ahy»?

na ny fanaka bakoly hilaza amin’ny mpanefy azy hoe:

«Tsy misy zavatra hainao akory»?

Fiovàn-javatra goavana

17Moa tsy afaka fotoana kely monja

dia hovana ho saha mahavokatra ny alan’i Libano,

ary hovana ho ala ny saha mahavokatra?

18Amin’izany andro izany ny marenina

dia handre izay voalaza ao amin’ny boky

ary hiala ao amin’ny haizim-pito

ny mason’ny jamba ka hahita.

19Ny malahelo hiravoravo amin’ny TOMPO hatrany,

ary ny mahantra ho dibo-kafaliana

noho ny amin’Ilay Masin’i Israely.

20Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka

ary ho levona ireo mpaniratsira,

haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa,

21ka miampanga lainga azy amin’ny teny

sy mamandrika ny mpitsara

mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.

22Noho izany àry, ny TOMPO

Andriamanitr’i Jakôba sy ny taranany

sady mpanavotra an’i Abrahama

dia nilaza izao teny izao:

«Tsy ho menatra intsony ny taranak’i Jakôba,

ary tsy hivaloarika intsony ny tarehiny.»

23Satria raha mahita izay hataoko eo anivony

ny tenany sy ireo taranany,

dia hanome hasina ny anarako,

hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin’i Jakôba

ary hangovitra eo anatrehako

satria Izaho no Andriamanitr’i Israely.

24Mbola hanan-tsaina indray

ireo nivilivily fanahy

ary hanaiky hampianarina indray

ireo tsy nitsaha-nanakiana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help