Jôba 19 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba: Any am-parany dia hiseho ny mpiaro ahy

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Hafiriana no mbola hampahorianareo ahy

ka handrerahanareo ahy amin’ny fitenenana?

3Efa impolo kely izao no nanevatevanareo ahy,

ka tsy menatra ve ianareo mampahory ahy toy izao?

4Fa raha nisy tokoa aza fahadisoako,

dia ahy samirery ihany ny amin’izany.

5Nefa raha mihevitra ny hirehareha amiko kosa ianareo

ka hanao ny fahoriako ho porofon’ny maha meloka ahy,

6dia fantaro fa Andriamanitra

no nahatonga izao fahavoazako izao

sady nanarona ahy tamin’ny haratony.

*

7Raha miantso mafy aho hoe: «Loza!»,

dia tsy misy mamaly ahy.

Raha mba miantso vonjy aho,

dia tsy mahazo rariny.

8Bahanan’Andriamanitra ny lalako

mba tsy hahafahako mandeha;

ary amin’ny sakeli-dalana alehako

dia nasiany haizina hiraparapako.

9Efa nataony afa-boninahitra aho

ary nesoriny teo an-dohako ny satroboninahitro.

10Toa trano narodany hatraiza hatraiza aho ka potika

ary nongotany toa fanongotra hazo ny fanantenàko.

11Dia nirehitra tamiko ny fahatezerany,

ka nataony toy ny fahavalo aho.

12Tafangona avokoa ireo andia-miaramilany

ka nitady lalana hahatrarana ahy

ary mitoby nanao fahirano ny laiko.

*

13Ny rahalahiko efa nampanalavirina ahy.

Ireo nahafantatra ahy tsy te hahalala intsony.

14Ny havako akaiky efa nihatakataka tamiko,

ireo sakaizako efa nanadino ahy.

15Ny vahiny nampiantranoiko sy ny mpiasako

dia nihevitra ahy ho olon-kafa;

eny, tonga tsy fantany intsony aho.

16Antsoiko ny mpanompoko fa tsy mamaly

na dia efa nitalahoako fatratra aza.

17Tsy mahatanty ny fofonaiko intsony ny vadiko

ary tofoka amiko koa ireo zanaka naterako.

18Mamingavinga ahy hatramin’ny ankizy kely;

fa raha mitsangan-kamindra aho, dia esoiny.

19Tsiravina amiko ireo sakaiza nitokiako;

ary nivadika tamiko avokoa ny olon-tiako.

20Taolana mifono hoditra sisa aho ankehitriny;

ary ny akanjo-nifiko no hany entiko mandositra.

*

21Iantrao dia iantrao aho, ry sakaizako isany,

fa ny tanan’Andriamanitra no namely ahy.

22Nahoana no manenjika ahy

tahaka an’Andriamanitra koa ianareo

ka tsy sasatry ny mampijaly ahy?

23Tiako raha mba voasoratra ny teniko,

ka ho voasokitra any ho any.

24Enga anie ka ho voasokitra amin’ny fandrabỳ izany

sady harahina loko firaka isaky ny litera

ka haharitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy.

*

25Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy;

ka hitsangana farany eo amin’ny tany Izy.

26Rehefa mihintsana izao hoditro izao

ka ho afaka amin’ny nofoko aho,

dia hahita an’Andriamanitra.

27Eny, izaho mihitsy no hijery Azy,

ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa.

Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.

28Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy,

hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»

29Koa matahora ny sabatra ianareo,

fa hovalian-tsabatra ny di-dohanareo;

ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help