Fahendrena 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fa diso hevitra izy raha nifampilaza hoe:

«Fohy sady be fahoriana ny fiainantsika;

ary tsy misy fanafana intsony ho an’ny olona,

rehefa tonga ny fiafarany;

sady tsy mbola nisy olona fantatra

ho tafaverina avy any amin’ny toeran’ny maty.

2Kisendrasendra no niterahana antsika;

ary aorian’izao fiainana izao

dia ho tahaka ny tsy nisy akory isika.

Setroka ihany ny fofonaintsika;

ary ny hevitra dia toa pitik’afo

atselatry ny fitepon’ny fontsika

3Koa raha vantany vao maty izany,

dia hiraraka ho lavenona ny vatantsika

ary toy ny rivotra tsy hay tazonina no ialan’ny fanahy.

4Rehefa ela ny ela, dia ho hadino ny anarantsika;

ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika.

Fa handalo toy ny rahona ny fiainantsika

ka tsy hamela dindo;

hisava toy ny zavona roahin’ny tara-masoandro

sady aparitaky ny hafanany.

5Tahaka ny fihelin’ny aloka

ny androm-piainantsika;

ary tsy azo ahemotra ny fiafarany,

satria naraikitra toa voatombokase izany

ka tsy misy afaka miverina ilalana.

6Koa andeha isika hiarana

amin’ny zava-tsoa ankehitriny,

ary hararaoty ny zavaboaary

araka ny hafanampon’ny fahatanorana.

7Aoka isika himamo amin-divay tsara indrindra

sy ho afa-diana amin-java-manitra;

ary aza avelantsika handalo foana

ireo voninkazon-dohataona.

8Bokom-bonin-draozy no ataovy fehilohantsika,

dieny mbola tsy malazo ireny.

9Aoka isika tsy hisy hanadino

izany filibàntsika izany;

fa asiontsika marika hatraiza hatraiza

ho fahatsiarovana ny filanonantsika,

satria anjara sy vintana ho antsika izany.

10Ampahoriontsika ny mahantra

na dia marina aza ireo,

aza tsimbinintsika ny mpitondratena

ary aza hajaintsika ny antitra fotsy volo.

11Fa aoka ny hery, ho antsika,

no ho filamatry ny rariny,

satria tsy misy ilana ny fahosana.

12Aoka hoenjehintsika ny marina

fa manelingelina antsika;

manohitra ny fanaontsika izy

sady manome tsiny antsika

ho mpandika lalàna,

ary miampanga antsika

ho tsy mpiraharaha fanabeazana.

13Mihambo ho mahalala an’Andriamanitra izy

ary milaza ny tenany ho zanaky ny Tompo.

14Tonga fanakianana ny fisainantsika izy

ka tsy zakantsika ny fahitana azy fotsiny aza.

15Fa tsy tahaka ny an’ny olon-kafa ny fiainany

ary hafahafa ny fombafombany.

16Fahalovana no fiheverany antsika;

ka fadîny toy ny loto ireo fanaontsika.

Ny olo-marina no ho sambatra fiafara,

hoy ny fanambarany,

ka dia mirehareha ho manana

an’Andriamanitra ho rainy izy.

17Aoka izany teniny izany

hozahantsika raha azo antoka;

ary aoka hodinihintsika izay hitranga

rehefa tonga ny andro hahafatesany.

18Fa raha zanak’Andriamanitra ny olo-marina,

dia ho tonga Izy hamonjy azy

ka hanafaka azy eo an-tanam-pahavalo.

19Koa aoka izy hosedraintsika

amin’ny latsa sy ny fampijaliana

mba hahafantarana ny fahatoniany

sy hitsapana ny faharetany.

20Aoka izy hohelohintsika ho faty

amin’ny fomba mahamenatra,

satria Andriamanitra, araka ny filazany

no hirotsaka an-tsehatra hanafaka azy.»

Ny fahadisoan’ny tsy mpivavaka

21Izany no fisainan’ireo tsy mpivavaka;

diso hevitra anefa izy amin’izany

satria hajambain’ny faharatsiany.

22Tsy mba fantany akory

ny fikasa-miafin’Andriamanitra;

tsy mba nanantena valisoa

amin’ny fahamasinam-piaina izy

ary tsy mba mankamamy

ny hajan’ireo madio am-panahy.

23Satria noarîn’Andriamanitra

ho tsy mety maty ny olombelona,

ka nataony mitovy endrika aminy;

24kanefa ny fialonan’ny devoly

no nampiditra ny fahafatesana

teto amin’izao tontolo izao;

ka izay momba ny devoly ihany

no tsy maintsy hiharan’izany.

Ny anjaran’ny olo-marina
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help