Genesỳ 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ireo mponina teto ambonin’ny tany

1Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:

2Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gômera sy i Magôga, i Maday sy Javàna, i Tobala sy i Mesèka ary i Tirasa.

3Ny zanakalahin’i Gômera dia i Askenaza sy i Rifata ary i Tôgarmà.

4Ny zanakalahin’i Javàna dia i Elisà sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rôdanima.

5Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.

6Ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy sy i Mitsiraîma ary i Poto sy i Kanahàna.

7Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.

8I Kosy no rain’i Nimrôda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany.

9I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.»

10Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.

11Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela,

12ilay tanàna lehibe, ary i Resèna izay teo anelanelan’i Ninive sy i Kela.

13I Mitsiraîma no razamben’ireo olona tao Loda sy tao Henama, tao Lehava sy tao Neftoà

14ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina.

15I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta

16razamben’ireto foko ireto: dia ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasita

17sy ny Hivita, ny Harkita sy ny Sinita,

18ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita,

19ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.

20Ireo no zanakalahin’i Hama voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin’ny taniny sy ny fireneny avy.

21I Sema zokin’i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben’i Hebera sy ny taranany.

22Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama.

23Ny zanakalahin’i Arama dia i Hotsa sy i Hola ary i Getera sy i Masa.

24I Arpaksàda no rain’i Sela, ary i Sela no rain’i Hebera.

25I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.

26I Jôktàna no rain-dry i Almôdada sy i Selefa, i Hatsarmavèty sy i Jerà,

27i Hadorama sy i Ozàla, i Diklà

28sy i Hobàla, i Abimaela sy i Seba,

29i Ofira sy i Havila, ary i Jôbaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Jôktàna.

30Ny fonenan’izy ireo dia manomboka eo Mesà ka hatrany amin’ny tendrombohitra atsinanana mankany Sefara.

31Ireo no zanakalahin’i Sema voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin’ny taniny sy ny fireneny avy.

32Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help