Salamo 110 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Sady mpanjaka no mpisorona

1 Salamo nataon’i Davida.

Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra

tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe:

«Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako.

Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»

2Avy eo Tsiôna anie ny TOMPO Andriamanitra

no hanitatra ny fahefàm-pitondranao!

Enga anie hiharan’ny fanapahanao

eo anivon’ireo fahavalonao manodidina Anao!

3Miaramila voafantina no miaraka aminao

amin’ny andro amorianao ny tafikao.

Eny amin’ny tendrombohitra masina

no hanatona Anao ireo zatovolahinao

toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.

4Nataon’ny TOMPO Andriamanitra taminao

sady tsy mba hiverenany intsony

izao tenim-pianianana izao:

«Ianao no Mpisorona mandrakizay

araka ny fomban’i Melkitsedèka.»

5Andriamanitra ô, efa eo ankavananao

ilay Tompo Mpanjaka;

dia mpanjaka maro no haripany

amin’ny andro fahatezerany.

6Hampiharany famaizana ireo firenena

ka hataony feno faty ny toeram-piadiana;

filoha maro no haripany manerana ny tany.

7Dia ny sakeli-drano ao an-dohasaha

no hisotroan’ity Mpanjaka eny an-dalana.

Izany sy izany no hampitraka Azy ho mpandresy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help