Salamo 23 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny Tompo no mpiandry ahy sy mpampiantrano ahy

1 Salamo nataon’i Davida

Ny TOMPO no mpiandry ahy

ka tsy ory na inona na inona aho.

2Ampandrîny eo amin’ny ahi-maitso aho

ary entiny eo amin’ny rano mahafa-tsasatra,

3velombelominy aina indray aho,

ary tarihiny amin’ny lala-marina,

satria mpiandry an’i Israely Izy.

4Na mandeha mamaky lohasaha maizina

izay tandindomin’ny fahafatesana aza aho,

dia tsy misy loza atahorako

fa Ianao no miaraka amiko.

Tarihinao sy arovanao aho

ka izany no mampatoky ahy.

5Anomananao fanasana aho

eo anoloan’ireo fahavaloko;

hosoranao ilomanitra ny lohako

sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko.

6Eny tokoa, mandritra ny andro iainako rehetra

dia ny hatsarampo amam-pitiavanao no hiaraka amiko.

TOMPO ô, hitoetra lalandava ao an-tranonao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help