Isaià 45 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Kirôsa mpanjaka, fiasàn’Andriamanitra

1Izao no lazain’ny TOMPO

amin’ilay nohosorany, dia i Kirôsa:

«Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa

sy hanaisotra ny fahefàn’ny mpanjaka

ka hivoha eo anatrehanao

ireo vavahadin’ny tanàna nihidy.

2Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao

mba handravona ny mikitoantoana

sy hanamontsana ny varavarana varahina

ary hanapatapaka ny hidy vy.

3Homeko anao ny raki-tsoany

napetrany tao amin’ny toerana maizina

sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina,

mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO

Izay miantso anao amin’ny anaranao;

Izaho no Andriamanitr’i Israely.

4Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko

sy ny vahoaka Israely voafidiko

no niantsoako anao tamin’ny anaranao;

ary nomeko izany laza izany ianao,

na dia tsy mahalala Ahy akory aza.

5Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa;

tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

Nampisikiniko hery ianao hiasa

na dia tsy mahalala Ahy akory aza,

6mba hahafantarana eran-tany

hatrany atsinanana ka hatrany andrefana

fa ankoatra ny tenako dia zava-poana.

Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa.

7Izaho no mamorona ny mazava

sy mahary ny maizina.

Izaho no manome fahasambarana

sy mahary ny loza.

Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.

8Aoka ny lanitra handrotsaka ando avy any ambony

ary aoka ny rahona handatsaka rariny!

Aoka hisokatra ny tany hampivelatra ny famonjena

sy hampitsimoka ny fahamarinana!

Izaho TOMPO no nahary io lehilahy io.

Ny tanimanga sy ny mpanefy tanimanga

9Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy,

kanefa ny tenany dia siny tanimanga

toy ny siny tanimanga rehetra ihany!

Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe:

«Inona ity ataonao?»

na ny asa vitany hanao aminy hoe:

«Tsy mahay ianao!»

10Lozan’izay sahy milaza amin’ny rainy hoe:

«Inona ity naterakao?»

na sahy miteny amin’ny reniny hoe:

«Inona ity naloaky ny kibonao?»

11Izao kosa no lazain’ny TOMPO,

dia ilay Masin’i Israely sady mpamorona azy:

«Izaho ve no anontanianareo

ny amin’ireo zanako

sy homenareo baiko

ny amin’izay tokony hataoko?

12Izaho no nanao ny tany

sy nahary ny olona monina eo amboniny.

Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako

sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.

13Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io

mba hitondra fanafahana

ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra.

Izy no hanangana indray

an’i Jerosalema tanànako

sy handefa ny oloko izay babo,

nefa tsy hampandoa vola na tamby,

hoy aho TOMPOn’izao rehetra izao.»

Ao aminao ny Tompo, ry Israely

14Izao, ry vahoaka Israely,

no lazain’ny TOMPO aminao:

Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina,

ny tombom-barotry ny Etiôpianina

sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba

dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao.

Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao

ary hiankohoka handady eo anatrehanao

sady hivavabavaka hifona aminao hoe:

«Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra;

ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»

15Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao,

ry Andriamanitr’i Israely sady mpamonjy ô!

16Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy

fa ho indray menatra sy ho afa-baràka;

mandeha mitanondrika izy rehetra.

17Ianareo kosa, ry vahoaka Israely,

dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO.

Tsy ho menatra na ho afa-baràka

na oviana na oviana ianareo.

Fanasana ny vahoaka rehetra

18Ny TOMPO no nahary ny lanitra,

Izy no Andriamanitra namorona ny tany

ka namolavola sy nanamafy azy,

nefa tsy nahary azy ho foana

fa nanao azy mba honenana.

Io Tompo io dia indro milaza hoe:

«Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»

19An-karihary no nitenenako

fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina;

tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba

hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana.

TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko

ary ny mahitsy no ambarako!

Ny fibebahan’ireo firenen-kafa

20Ianareo firenen-kafa sisa tavela,

avia ka mivoria, manatòna miaraka.

Tsy mahalala na inona na inona akory

ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra,

sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.

21Manaova fanambaràna, ary ento ny porofo,

manaova fikaonan-doha miaraka ianareo!

Iza no nampahalala hatry ny ela

izay mitranga ankehitriny?

Iza no nanambara izany mialoha?

Moa tsy Izaho TOMPO va?

Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho;

Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.

22Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo,

ry olona amin’ny vazan-tany rehetra;

satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.

23Nianiana tamin’ny tenako Aho,

sady marina izay teny aloaky ny vavako

ka tsy misy ivadihako:

Izaho no handohalihan’ny olona rehetra

ary hianianan’ny fiteny rehetra hoe:

24Ao amin’ny TOMPO irery

no hahitana hery sy fahamarinana!»

Izay rehetra nifanohitra tamiko

dia hankany amiko sady ho menatra.

25Fa ny taranak’i Israely rehetra kosa

dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny

sy hataony fireharehana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help