2 Mpanjaka 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jôasy mpanjakan’i Joda(Jereo 2 Tan 24.1-3)

1-2Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jehò tamin’i Israely no tonga ho mpanjakan’i Joda i Jôasy; vao fito taona izy tamin’izay, ary naharitra efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibià avy any Beera-Seba.

3Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tamin’ny androny rehetra i Jôasy, satria nampianatra azy tsara i Jôiadà mpisorona.

4Saingy tsy nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola tonga nitondra sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.

Nampanamboarin’i Jôasy ny tempoly(Jereo 2 Tan 24.4-14)

5-6Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona:

–Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.

7Kanjo tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Jôasy dia tsy mbola voavoatr’ireo mpisorona ihany ny simba tamin’ny tempoly.

8Koa nampiantso an’i Jôiadà sy ny mpisorona hafa i Jôasy mpanjaka ka nanao taminy hoe:

–Nahoana no tsy namboarinareo ny simba tamin’ny tempoly? Noho izany dia tsy mahazo maka vola amin’ny mpandray volanareo intsony ianareo, fa avelao kosa izany hanamboarana ny tempoly.

9Dia nanaiky tsy handray vola amin’ny olona intsony sy tsy hiandraikitra ny fanamboarana ny tempoly ny mpisorona.

10Fa naka vata iray i Jôiadà mpisorona, dia noloahiny ny sarony ka napetrany teo akaikin’ny alitara teo ankavanan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO; dia nalatsaky ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra nentina tao an-tranon’ny TOMPO.

11Rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia nangonin’ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny mpisorombe ny vola tao an-tranon’ny TOMPO ka nisainy.

12Rehefa voaisa ny vola, dia natolony ny mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO izay nampiasa izany hanakaramana ny mpandrafitra sy ny mpanao mari-trano niasa tao an-tranon’ny Tompo

13mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.

14Nefa tsy mba nanaovana koveta na antsy na tsatokaty famafazana, na trompetra na zavatra hafa vita volamena na volafotsy ireny fanomezana nentina tao an-tranon’ny TOMPO ireny.

15Dia nomena ny mpanao raharaha izany hanamboarana ny tranon’ny TOMPO.

16Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin’ny fiasany.

17Ny vola narotsaky ny olona ho solon’ny sorom-panonerana na sorona fanalana ny ota dia tsy mba natolotra ho an’ny tranon’ny TOMPO, fa an’ny mpisorona kosa izany.

Fiafaran’ny fanjakan’i Jôasy(Jereo 2 Tan 24.23-27)

18Tamin’izany dia niakatra nanafika ny tanànan’i Gata i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an’i Jerosalema ihany koa izy.

19Fa nangonin’i Jôasy mpanjakan’i Joda avokoa ny zava-tsarobidy rehetra izay natolony na natolotr’ireo razany mpanjakan’i Joda, dia i Jôsafata sy i Jôrama ary i Ahazià ho an’ny TOMPO, mbamin’ireo volamena napetraka tao amin’ny efitrano firaketan’ny tempoly sy tao an-dapan’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela izay nisinda tsy nanafika an’i Jerosalema.

20Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.

21-22Ary nioko hanohitra an’i Jôasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jôzabada zanakalahin’i Simehata sy i Jehôzabada zanakalahin’i Sômera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Jôasy nidina hankany Silà iny. Dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Amatsià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help