Jeremià 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Vehivavy janga be kirina

1Hoy ny TOMPO tamiko:

Raha misy lehilahy misaraka amin’ny vadiny

ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa,

moa mahazo mampody azy indray ve izy?

Tsia, fa haloto ny tany.

Kanefa ianao, ry Israely,

dia efa lehilahy maro no nijangajanganao,

hoy ny teny hentitry ny Tompo;

ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?

2Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao:

jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao.

Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra

miandry ny rembiny

no nipetrahanao teo amoron-dalana

niandry ny lehilahinao.

Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao

no nandotoanao ny tany.

3Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be

sady tsy nisy koa ny oran-dohataona.

Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao

fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.

4Ankehitriny anefa ianao

dia sahy miantsoantso Ahy hoe:

«Ry raiko sady sakaizako fahazaza,

5mbola ho tezitra amiko ihany ve ianao

ka hitahiry alahelo amiko hatrany?»

Izany no teninao tamiko,

nefa tsy nitsahatra nanao ratsy ianao,

sady tena havanana tamin’izany.

I Israely mpiodina sy i Joda mpivadika

6Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko:

–Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.

7Dia hoy Aho anakampo hoe: Rehefa afaka izany dia hiverina amiko izy. Kanjo tsy niverina izy; ary nahita izany i Joda mpivadika rahavaviny.

8Hitany fa nomeko taratasy fisaoram-bady i Israely mpiodina, ary nisaorako noho izy nijangajanga. Kanefa tsy natahotra akory i Joda mpivadika fa mba lasa koa aza izy nijangajanga.

9Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.

10Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.

11Fa mbola niteny tamiko indray ny TOMPO hoe:

–Toa marimarina ihany i Israely mpiodina raha miohatra amin’i Joda mpivadika.

12Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe:

Miverena, ry Israely mpiodina,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO;

fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho,

satria entanim-pitiavana,

fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.

13Kanefa aoka hiaiky heloka ianao

fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao:

nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao

teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny

fa tsy nihaino ny feoko:

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Ny fiverenan’i Joda

14Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no tomponareo. Hangalako iray isan-tanàna na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiôna.

15Ka any no hanomezako anareo mpitondra araka izay sitrako sy afaka hitondra anareo amim-pahalalana sy amim-pahendrena.

16Amin’izany fotoana izany, hoy ihany ny teny hentitry ny TOMPO, dia hanjary ho maro sy hitombo be dia be ao amin’ity tany ity ianareo. Tsy horesahina intsony ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanako. Tsy ho ao an-tsain’ny olona intsony izany fa hohadinoiny, tsy hisy ho manina azy na hanao Vatamasina hafa.

17Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.

18Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.

Miverina amin’Andriamanitra ilay vahoaka mpiodina (Ny Tompo)

19Hoy Aho anakampo hoe:

Ahoana raha ataoko lohalaharana

amin’ireo zanako lahy ianao

ka homeko tany mahafinaritra

izay fananana tsara indrindra

eo amin’ny samy firenena?

Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao

ka tsy hiodina amiko intsony.

20Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny

no nisintahanao tamiko, ry taranak’i Israely;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

21Injany misy feo re any an-tampon-kavoana:

tsy inona izany fa ireo Israelita

izay mitomany sy mitaraina mafy

satria diso lalana tamin’izay nalehany

ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.

22Miverena amiko, ry zaza mpiodina,

fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo!

(Ny vahoaka)

Indreto izahay manatona Anao,

satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.

23Eny tokoa, fa nanodoka anay

ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana

sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra,

kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany

no hahitan’Israely famonjena.

24Fa hatry ny fahazazànay

dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra

nanompoana an’i Bahala io

ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay,

dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny,

ny zanany lahy sy ny zanany vavy.

25Aoka hatory ombàn-kenatra izahay

ka hanaiky ny fahafaham-baràka,

satria efa nanao heloka

teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray.

Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino

izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray

hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.

(Ny Tompo)

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help