1Rehefa nitsahatra ny sahotaka tamin’ireo vatan-dehilahy manodidina ny filan-kevitry ny samy manam-pahefana, dia i Akiôra no nitenenan’i Hôlôferna komandy faratampon’ny tafika asirianina, ka teo anatrehan’ny olona vahiny sy môabita no nanaovany hoe:
2–Zovy moa ianao, ry Akiôra, ary zovy moa ianareo voavidin’ny Israelita? Mihambo ho mpaminany miteny aminay ianao raha tahaka iny androany iny; ary lazainao fa tsy tokony hiady amin’ny Israelita izahay satria ilay Andriamaniny no hiaro azy. Fa iza no andriamanitra ankoatran’i Nebokadnetsara? Handefa tafika mahery i Nebokadnetsara mba hamongotra ireo Israelita ireo tsy ho eto amin’ny vohon-tany intsony; ary tsy hahafaka azy amin’izany akory ilay Andriamaniny.
3Izahay kosa dia mpanompon’i Nebokadnetsara; ka hataonay indray mamely fotsiny ny Israelita tsy ho voatohitr’ireo ny fivatravatran’ny mpitaingin-tsoavalinay.
4Hasainay hodorana velona izy; hamonto ny tendrombohitra ny rany ary handrakotra ny lemaka ny fatiny. Tsy ho afa-kijoro hanohitra izy eo anoloanay, fa dia haringana tanteraka, araka ny andidian’i Nebokadnetsara mpanjaka, ilay mpifehy ny tany tontolo. Efa niteny ny mpanjaka; ary tsy maintsy hihatra ny baiko nataony.
5Ny aminao kosa, ry Akiôra, ry ilay Hamônita voavidy ity, dia araka ny maha mpamadika anao no nitenenanao teo. Koa tsy hahita ny salovan-tavako intsony ianao manomboka anio, mandra-pamaizako an’ireo olona nitsoaka avy tany Ejipta ireo.
6Rehefa hiverina aho, dia ny miaramilako sy ny manamboninahitro no hanatrobaka sabatra sy lefona ny tehezanao; ka ho faty eo anivon’ny Israelita voavono ianao.
7Hoentin’ireo mpanompoko any amin’ny faritra be tendrombohitra ianao izao, ary havelany ao amin’ny tanàna anankiray eny amin’ny kisolosolo eny;
8ka tsy ho faty ianao, raha tsy efa hofongorana miaraka amin’ny Israelita.
9Raha matoky ao am-ponao ianao fa tsy ho voasambotra ireo, dia aza kivy endrika. Saingy efa niteny kosa aho, ary tsy maintsy hihatra ny teniko.
10Ary nodidian’i Hôlôferna ireo mpanompony tao an-tranolainy mba hisambotra an’i Akiôra sy hitondra azy any Betolia ka hanolotra azy ho eo an-tanan’ny Israelita.
11Dia nosamborin’ireto mpanompony tokoa i Akiôra, ary nentiny nivoaka ny toby hankeo amin’ny lemaka; avy eo dia lasa nankany amin’ny faritra be tendrombohitra ireo ary tonga teo akaikin’ny loharano izay teo ambanin’ny tanànan’i Betolia,
12ilay tanàna izay tery an-tampon-tendrombohitra; ka nony nahita ireto olona tonga kosa ny vatan-dehilahy mpiambina, dia nivoaka ny tanàna samy nitondra antsamotady izy rehefa ka nandefa vato hisakanana ireto Asirianina tsy hiakatra ambony kokoa.
13Dia nihemotra teny am-body tendrombohitra ny Asirianina ka namatotra an’i Akiôra sy namela azy teo ary niverina tany amin’ny mpaniraka azy.
14Nidina avy tao an-tanàna kosa ny Israelita, ka tonga teo amin’i Akiôra; dia novahany fatorana ralehilahy ary nentiny hankao Betolia sy nasehony tamin’ireo filohan’ny tanàna.
15Tamin’izany andro izany ny filohan’ny tanàna dia i Hôzià zanakalahin’i Mikà avy amin’ny folo simehônita sy i Kabry zanakalahin’i Hôtniela ary i Karmy zanakalahin’i Melkiela.
16Dia novorin’izy telo lahy ny loholona rehetra tao an-tanàna; ary ny zatovo sy ny vehivavy koa mba nidodododo nanatrika ny fivoriana. Nentina hankeo afovoan’ny besinimaro i Akiôra ary nanontanian’i Hozià ny zava-nitranga.
17Fony namaly azy i Akiôra, dia nitantara izay voalaza nandritra ny filan-kevitr’i Hôlôferna sy izay teny rehetra nambaran’ny tenany teo afovoan’ireo filohan’ny Asirianina ary koa izay teny feno avona notononin’i Hôlôferna hamelezana ny vahoaka Israely.
18Dia niankohoka nitsoaka an’Andriamanitra ny vahoaka tafavory teo ary niantso vonjy taminy nanao hoe:
19–Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra ô, mba jereo ny firehaky ny fahavalonay, ary amindrao fo izahay amin’izao fietrenay izao. Vahoaka voatokana ho Anao izahay, ka tsinjovy ny manjo anay amin’izao andro izao.
20Dia nampaherezin’ny olona teo i Akiôra sy nanaovany tenim-pankasitrahana fatratra.
21Taorian’io fivoriana io i Hozià dia nitondra an’i Akiôra tany an-tranony ary nanasa koa ny loholona hisakafo hariva. Nandritra ny alina manontolo, dia niantso vonjy tamin’ilay Andriamanitr’i Israely izy rehetra teo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.