1«Ry Andriamanitry ny razako
sady Tompo loharanon’ny famindrampo ô,
ny teninao no nanaovanao izao rehetra izao,
2ny Fahendrenao no namboaranao ny olombelona
ho Tompon’ny zavaboaarinao rehetra
3ka hifehy an’izao tontolo izao
am-pahamasinana sy am-pahamarinana
ary hitsara amim-pahitsiana.
4Mba omeo ahy ny fahendrena
izay miray sezafiandrianana aminao,
ary aza esorina tsy ho isan’ny zanakao aho.
5Mpanomponao manko aho
ary zanaky ny mpanompovavinao,
olona osa sy fohy andro iainana,
tsy ampy fahatakarana ny didy aman-dalàna.
6Fa na misy aza olombelona tanteraka,
kanefa tsy manana ny fahendrena avy aminao,
dia naman’ny tsinontsinona ihany.
7Ianao no nifidy ahy
ho mpanjakan’ny vahoakanao,
ho mpitsaran’ny zanakao lahy sy vavy.
8Ianao no nandidy ahy hanorina
tempoly eo an-tendrombohitrao masina
sy alitara ao an-tanàna fonenanao
araka ny môdelin’ny tranolay masina
izay nomaninao hatramin’ny voalohany.
9Eo anilanao ny Fahendrena
ka mahalala ny asanao;
efa teo izy fony nanao izao tontolo izao Ianao.
Fantany izay sitraka eo imasonao
sy izay mahitsy araka ny didinao.
10Ampidino avy any an-danitra masina izy;
avy any amin’ny seza fiandriananao be voninahitra
no aniraho azy hiasa eo anilako
ka hahafantarako izay sitrakao.
11Mahay ary mahafantatra ny zava-drehetra izy,
ka hitari-dalana ahy amin’ny asako
araka ny fahamalinana
ary hiaro ahy noho ny voninahiny.
12Koa ho sitrakao ny asako,
dia hitsara ara-drariny ny vahoakanao aho
ary ho mendrika ny seza fiandrianan-draiko.»
Ilain’ny olombelona tokoa ny Fahendrena13«Iza no olombelona afaka hahalala
ny sitraponao, Andriamanitra ô?
Iza no hahatakatra ny fikasanao, Tompo ô?
14Raha izahay olombelona mety maty manko
dia mihambahamba ny hevitray,
tsy azo ianteherana ny eritreritray;
15satria ny fanahinay vesaran’ny vatanay mety lo,
ary ny sainay be herehina dia vizan’ity fonony eto an-tany ity
16Efa manahirana anay ny maminavina
ny zava-misy eto an-tany,
ary mananosarotra anay ny mahita
ny zavatra antomotra ny tananay;
koa iza àry no hahatakatra
izay zava-misy any an-danitra?
17Ary ny sitraponao, Tompo ô,
iza no mba nahalala izany,
raha tsy nomenao ny Fahendrena
sy nanirahanao ny Fanahinao Masina
avy any ambony any?
18Izany no nahavoahitsy lalana
ny mponina teto ambonin’ny tany,
ka nahalalan’ny olona ny sitrakao
sy namonjen’ny Fahendrena azy.»
Ny anjara asan’ny Fahendrena eo amin’ny tantaraWho We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.