Kôheleta 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.»

2Amin’ny androm-pahosanao manko dia hihamatroka ny fahazavan’ny masoandro, hanjavozavo ny volana aman-kintana, ary hivangongo ny rahona mitondra orana.

3Amin’izay ny sandry aman-tanana fiarovanao tena dia hipararetra; ny ranjonao nijaridina dia hikolepaka; ny nifinao efa nihavitsy loatra dia tsy hahahota sakafo intsony; ary hihapahina ny masonao ka tsy hahita tsara intsony.

4Amin’ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon’ny mpihira.

5Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.

6Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.

7Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.

8Zava-poana ny zava-drehetra, hoy i Kôheleta; eny, zava-poana dia zava-poana izany.

Famaranana

9Ho fanampin’izany, tsy nitsahatra nampianatra ny olona ny zavatra fantany i Kôheleta satria hendry izy. Namorona ohabolana maro izy rehefa avy nandinika sy nandanjalanja.

10Fa niezaka ny hilazalaza ny zava-misy tamim-pahamarinana i Kôheleta no nanao izay hahitana teny mahaliana koa.

11Ny tenin’ny hendry dia manindrontsindrom-panahy tahaka ny fanjaitra; ary ireo mpanangona azy dia mamefy soritra tahaka ny tsatomarika. Fanomezana avy amin’ilay hany mpitarika avokoa ireny.

12Fanampin’izany koa, anaka, dia minoa anatra ianao. Fa tsy mba voafetra ny isan’ny boky azo soratana, ary mandrera-tena ny manokana fotoana maro hianarana.

13Ary izao no fehin-teny momba izay rehetra voalaza: hajao Andriamanitra ary tandremo ny didiny, satria izany no andraikitry ny olona tsirairay.

14Fa hotsarain’Andriamanitra avokoa ny zavatra atao, dia ny amin’izay rehetra fonosiny na tsara izany na ratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help