Baròka 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1«Koa notanterahin’ny Tompo izay teny efa nolazainy hamelezana antsika sy ny mpitsarantsika izay natao hifehy an’i Israely sy ireo mpanjakantsika ary ny mpitondrantsika mbamin’ny olon’i Israely sy i Joda.

2Ary tsy mbola nisy mihitsy teto ambonin’ny tany nizaka toy izay nanjo an’i Jerosalema. Izany loza izany anefa dia efa voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy:

3nanjary nihinana ny nofon’ny zanany lahy sy zanany vavy ny olona.

4Avy eo dia natolony teo ambany fifehezan’ireo fanjakana rehetra manodidina izy mba hiharan’ny latsa sy ny fandravana ataon’ireo vahoaka mpifanila aminy sady nampielezan’ny Tompo azy.

5Koa tonga resy isika toy izay ho mpandresy, satria nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika fa tsy nihaino ny feony.

6«Koa an’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana fa antsika sy an’ireo razantsika ny henatra araka izao hita anio izao.

7Ny loza rehetra efa nandrahonan’ny Tompo antsika dia nihatra tamintsika.

8Tsy mba nangataka taminy akory isika mba hampialany amin’ny fironan-dratsin’ny fontsika.

9Koa nimasoan’ny Tompo mihitsy ny hahatonga ireo loza ireo tamintsika, satria marina Izy tamin’izay rehetra nodidiany hataontsika;

10saingy isika kosa no tsy nihaino Azy fony Izy nampanaraka antsika ireo didy napetrany teo anoloantsika.

Vavaka fitalahoana

11Tompo Andriamanitr’i Israely ô, namoaka ny vahoakanao avy tany Ejipta Ianao, tamin’ny asa mahery sy ny zava-mahagaga amam-pamantarana ary tamin’ny fahefana lehibe sy hery tsy hay tohaina, araka izao hita anio izao. Ary ankehitriny,

12miaiky izahay fa nanota sy nikomy ary tsy nankatò ny fitsipikao rehetra, ry Tompo Andriamanitray ô.

13Vitsy sisa izahay any amin’ny firenena izay nampielezanao anay, koa ahodino hiala aminay re ny fahatezeranao.

14Tompo ô, noho ny amin’ny tenanao, dia mba henoy izay angatahinay aminao ao am-bavaka, ka ataovy mahazo indrafo izahay eo anatrehan’ireo namabo anay.

15Amin’izay dia hiaiky ny tany tontolo fa Ianao no Tompo Andriamanitray ary izahay taranak’i Israely no voatokana ho Anao.

16Tompo ô, mba jereo avy any amin’ny fonenanao masina ambony any izahay, ka hevero ny aminay; Tompo ô, atongilano ny sofinao hihaino,

17ahirato ny masonao hijery: tsy mba ny maty any amin’ny fonenan’ny maty ka efa nialan’ny fofonaina tao anatiny no hiaiky ny voninahitrao sy ny fahamarinanao.

18Fa ny olona mijaly fadiranovana, izay mandeha efa trotraka sy vokoka, ny olona mipendrapendrana fijery sy noana: izy no hiaiky ny voninahitrao sy ny fahamarinanao, Tompo ô.

19Noho izany, ry Tompo Andriamanitray ô, raha mankeo anatrehanao hiangavy ny famindramponao izahay, dia tsy miantehitra amin’ny asa soa nataon’ny razanay na ny mpanjakanay.

20Fa hamely anay no nandefasanao ny hatezerana amam-pahaviniranao, araka ny nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe:

21«Izao no lazain’ny Tompo: Aondreho ny lamosinareo ary manompoa ny mpanjakan’i Babilôna, dia ho tafajanona eo amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo.

22Fa raha tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babilôna araka izay voalazako ianareo,

23dia hatsahatro eny an-tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady vao; ka ho tonga taniefitra tsy misy mponina ny tany manontolo.»

24«Nefa tsy nihaino ny feonao izahay, ry Tompo Andriamanitray ô, fony nasainao nanompo ny mpanjakan’i Babilôna. Ka dia notanterahinao ny fandrahonana nambaranao tamin’ny alalan’ireo mpaminany mpanomponao, dia ny hanesorana ireo taolan’ny mpanjakanay sy ny razanay avy ao am-pasany.

25Nahatsiravina tokoa ny fiafaran’ireo razanay sy ny mpanjakanay: matin’ny mosary na ny sabatra na ny sesitany. Ary indreo ny fatiny natsipy eny ivelan’ny fasany, nahanjahanja amin’ny hafanan’ny antoandro ary amin’ny hatsiakan’ny alina!

26Ary ny tempoly izay natokanao ho Anao dia hita izao ny nanaovanao azy ankehitriny noho ny heloky ny firenen’i Israely sy i Joda.

27Kanefa, ry Tompo Andriamanitray ô, dia tamin’ny haben’ny hatsaram-ponao aman’indrafonao manontolo no nanaovanao izany taminay,

28araka izay efa nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao tamin’ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànanao ho an’ny Israelita. Hoy Ianao hoe:

29«Raha tsy mihaino izay lazaiko ianareo, izao ianareo vahoaka be izao ankehitriny dia ho andian’olom-bitsy sisa any amin’ny firenena izay hampielezako anareo any.

30Fantatro fa tsy hihaino Ahy ianareo satria vahoaka mpikomy. Kanefa handini-tena ianareo any am-pahababoana any,

31ka hiaiky fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Homeko fo mandray sy sofina malady ianareo;

32ka any am-pahababoana no hihiranareo fiderana Ahy sy hahatsiarovanareo ny anarako.

33Hotsiahivinareo ny nanjo ireo razanareo izay nanota teo anatrehako ka hialanareo ny toetra mikomy sy ny asa ratsy.

34Dia hampodiko any amin’ny tany izay nampanantenaiko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanareo ianareo, ka hanjary tompony; ary hampitomboiko ianareo fa tsy hahenako intsony.

35Ary hanao fanekempihavanana maharitra mandrakizay aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako. Ary tsy hitondra an’i Israely vahoakako ho lavitry ny tany izay nomeko azy intsony Aho.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help