1Tatỳ aorian’izany, dia nionona ny fahatezeran’ny amperôra. Kanefa tsy niraharaha an’i Astîna intsony ny amperôra izay nitadidy ny teny nataony sy ny fanamelohana efa tinapany momba azy.
2Ka hoy ireo mpanolotsain’ny amperôra hoe: «Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy!
3Anendreo olona any amin’ny faritany isan-tokony eran’ny fanjakànao, dia aoka ireo no hifidy tovovavy virijiny sady tsara tarehy sy hitondra azy ao amin’ny tranom-behivavinao eto Soza. Ilay tandapa mpiandraikitra io tranom-behivavy io no hanankinana azy sy hanome azy ny fitaovana hikarakarany tena;
4ka izay vehivavy sitrakao no ho mpanjakavavy solon’i Astîna.»
Sitraky ny amperôra izany torohevitra izany ka dia narahiny.
5Nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Môrdôkay tao amin’ny tanàna Soza; izy io dia lehilahy benjaminita zanak’i Jaîra, izay taranak’i Simehỳ sy i Kisy.
6Voababo izy, ka ny fiaviany dia i Jerosalema izay nentin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ho an-tsesitany ny mponiny.
7I Môrdôkay dia niahy ny zanakavavin’i Haminadaba rahalahin-drainy; i Estera no anaran-drazazavavy. Maty ray aman-dreny i Estera ka notezainy hataony vady. Tsara tarehy razazavavy.
8Nony tafaely ny didin’ny amperôra, dia tovovavy maro no voavory tao amin’ny tanàna Soza ka niandraiketan’i Gay. I Estera koa dia nentina tao amin’i Gay, ilay mpitandrina ny vehivavy.
9Nahazo sitraka tamin’i Gay Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-dazazavavy; nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa. Tao amin’ny tranom-behivavy dia nataon’i Gay tsara fitondra i Estera sy ireo mpanompovaviny.
10Tsy nolazain’i Estera na ny fireneny na ny tanindrazany, satria nofeperan’i Môrdôkay izy mba tsy hilaza izany.
11I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy, ka nitsikilo izay zavatra hitranga amin’i Estera.
12Rehefa nahavita herintaona tao amin’ny tranom-behivavy ny tovovavy tsirairay, vao tonga ny fotoanandro hankanesany any amin’ny amperôra. Io herintaona fiomanana io dia nizotra toy izao: enim-bolana notrorina menaka misy miora ny tovovavy, ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy.
13Avy eo dia nankany amin’ny amperôra ny tovovavy tsirairay. Nisy lehilahy nirahin’ny amperôra hanome lalana ilay tovovavy hoentina hatreo amin’ny tranom-behivavy hankany amin’ny efitranon’ny amperôra.
14Ny hariva izy no mandeha any; ary ny ampitso maraina kosa lasa mankao amin’ilay trano faharoa fitoeram-behivavy izay i Gay, tandapan’ny amperôra, no mpitandrina azy. Tsy mba niverina tany amin’ny amperôra intsony ilay tovovavy, afa-tsy raha antsoin’ny amperôra ka tononiny anarana.
15Indray andro i Estera, zanakavavin’i Haminadaba rahalahin-drain’i Môrdôkay, dia nahavita ny fotoam-piomanana mba hahazoana mankany amin’ny amperôra. Tsy nisy nolaviny ny torohevitra nataon’ilay tandapa mpitandrina ny vehivavy, ka nahazoan’i Estera sitraka avokoa izay rehetra nahita azy.
16Nankany amin’ny amperôra i Estera tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artakserksesa, fony volana faharoa ambin’ny folo na volana Adara.
17Notiavin’ny amperôra i Estera; ka tamin’ireo vehivavy rehetra ireo, dia izy no nahazo sitraka teo imasony sy nosatrohany ny satroboninahitr’i Astîna vadiny taloha.
18Dia nanao fanasana ho an’ny sakaizany sy ho an’ny manampahefana rehetra i Artakserksesa nandritra ny herinandro sady nankalaza ny fanambadiany an’i Estera. Nisy hetra nofoanany ho an’ireo olona teo ambany fahefàny.
19Tamin’izay i Môrdôkay dia nisahana andraikitra tao an-dapa.
20I Estera kosa tsy nilaza ny firazanany, satria i Môrdôkay efa namepetra azy ny amin’izany ary nandidy azy hanaja an’Andriamanitra sy hanatanteraka ny didiny, tahaka ny fony izy mbola niara-nonina taminy; ka tsy niova fitondrantena i Estera.
Nisy teti-dratsy hitan’i Môrdôkay21Nomena toerana ambony kokoa i Môrdôkay hany ka sosotra ireo tandapa roalahy filohan’ny mpiambina ary nitady hamono hahafaty ny amperôra Artakserksesa.
22Fantatr’i Môrdôkay ny toe-javatra; dia nambarany tamin’i Estera izay nampahalala tamin’ny amperôra kosa ny andinindinin’izany teti-dratsy izany.
23Nofotopotorin’ny amperôra izy roalahy, ary nahantona tamin’ny hazo. Ho mari-piderana an’i Môrdôkay sy hahatsiarovana ny asa soa nataony, dia nodidian’ny amperôra ny hanoratana izany zava-nitranga izany tao amin’ny Firaketam-panjakana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.