Tôbita 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny tebitebin’i Tôbita sy i Hanà

1Isan’andro vaky kosa i Tôbita dia manombantombana ny fotoana ilaina handehanana mankany Ragao sy hiverenana avy any. Rehefa tapitra izany fotoana izany, dia tsy mbola tafaverina ihany ny zanany lahy;

2ka hoy i Tôbita anakampony: «Angamba voatazona any izy? Angamba maty i Gabaela ka tsy nisy olona hanome azy ilay vola?»

3Nanomboka nitebiteby i Tôbita;

4ary i Hanà vadiny dia niteny hoe:

–Maty izay ny zanako ary efa tsy anisan’ny velona intsony!

Dia nanomboka nitomany sy nidradradradra ravehivavy teo am-pieritreretana an-janany, ka nanao hoe:

5–Indrisy, anaka, inona foana no namelako anao handeha! Ianao no nampibaliaka ny masoko!

6Hoy kosa i Tôbita namaly azy:

–Mangina ianao, ry vady malalako, aza manana ahiahy, fa salama tsara izy. Zavatra tsy nampoizina mihitsy no nianjady taminy. Sady ilay mpiara-dia aminy koa dia olona mahatoky, anisan’ireo mpiray firenena amintsika. Aza mitebiteby momba an’i Tôbià ianao, ry vady malalako, fa efa ho tonga izy.

7Fa hoy i Hanà hoe:

–Aza miteny amiko intsony ianao, ary aza mandainga amiko. Maty ny zanako!

Isan’andro i Hanà dia dodona mivoaka ny trano mba hitazantazana ny lalana izay niaingan’i Tôbià, satria tsy nisy olona nitokiany intsony. Rehefa nilentika ny masoandro, vao izay izy no miditra an-trano ka nidradradradra sy nitomany mandritra ny alina manontolo sady tsy nahita tory.

Te hiverina any amin-drainy i Tôbià

8Rehefa tapitra ny efatra ambin’ny folo andro nianianan’i Ragoela hatokana ho an’ny fampakarana ny zanany vavy, dia lasa i Tôbià nilaza tamin’ny rafozan-dahiny hoe:

–Mba avelao aho handeha! Fantatro manko fa tsy matoky ny hahita ahy intsony ny ray aman-dreniko. Koa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko. Efa nampahafantariko anao ny toe-pahasalamany fony izy nilaozako.

9Hoy kosa i Ragoela tamin’i Tôbià:

–Mijanòna re, anaka, mijanòna eto amiko, fa handefasako iraka i Tôbita rainao mba hampahafantatra azy ny momba anao.

Fa novalian’i Tôbià hoe:

–Tsy izany akory, fa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko.

10Teo no ho eo dia natolotr’i Ragoela tamin’i Tôbià i Sarà vadiny ary nomeny azy koa ny antsasak’izay rehetra nananany: dia mpanompolahy sy mpanompovavy, omby sy ondry ary boriky sy rameva, akanjo sy fanaka isan-karazany ary vola.

11Navelan’i Ragoela handeha soa aman-tsara izy rehetra, ary nataony veloma i Tobià ka nilazany hoe:

–Salamà tsara ianao, anaka; ary soava dia. Ilay Tompon’ny lanitra anie hanambina anao sy i Sarà vadinao amin’ny dia! Ary enga anie aho hahita ny zanakareo alohan’ny hahafatesako!

12Avy eo i Ragoela dia niteny tamin’i Sarà zanany vavy hoe:

–Aoka ianao handeha any amin’ny rafozan-dahinao! Aminao, manomboka izao, ny ray aman-drenin’ny vadinao dia ho toy ny ray aman-dreninao koa. Anaka, mandehana ombàm-piadanana; ary enga anie zavatra tsara no ho reko momba anao, raha mbola velona koa aho.

Dia nataon’i Ragoela veloma izy roa kely ary navelany handeha.

13I Ednà kosa niteny tamin’i Tôbià hoe:

–Ry zanako mamiko sy lalaiko, ny Tompo anie homba anao amin’izao fodianao izao! Enga anie ny tenako mba ho ela velona ihany ka ho afaka hahita ny zanakareo sy Sarà, alohan’ny hahafatesako! Vavolombelona miatrika ahy ny Tompo, ka ankiniko aminao ity zanako vavy ity mba hokarakarainao; enga anie tsy hisy hampalahelovanao azy amin’ny androm-piainanao rehetra! Anaka, mandehana ombàm-piadanana. Manomboka izao, ry Tôbià, dia reninao aho ary vady malalanao i Sarà; enga anie isika rehetra hambinin-tsoa amin’ny andro rehetra iainantsika!

Dia norohan’i Ednà izy roa kely ary navelany handeha samy finaritra tokoa.

14Toy izany no nandaozan’i Tôbià an’i Ragoela. Finaritra sy faly tokoa i Tôbià tamin’izay sady nankalaza an’ilay Tompon’ny tany aman-danitra sy Mpanjakan’izao tontolo izao noho ny nanambinany ny diany. Dia mbola niteny tamin’i Tôbià indray i Ragoela nanao hoe:

–Enga anie ianao hambinin-tsoa manaja ny ray aman-dreninao amin’ny andro rehetra iainany!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help