Bena-Siràka 36 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Vavaka hanafahana an’i Israely

1Ry Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô,

amindrao fo izahay ka tsinjovy,

2ary androtsahy fanajana Anao

amin’ireo firenena isan-tokony.

3Atsangano handrahona ny hafa firenena ny tananao

ary aoka izy ireo hahatsapa ny fahefànao!

4Nasehonao taminy ny fahamasinanao

izay nanasazianao ny hadisoanay.

koa asehoy aminay ny fahalehibiazanao

izay hamelezanao ny fireharehàny.

5Aoka ho fantany Ianao toy ny nahafantaranay koa

fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, Tompo ô!

6Havaozy ny famantarana fahiny

ary indraozy ny zava-mahagaga.

7Omeo voninahitra ny hery amam-pahefànao.

8Aoka hohetsehinao ary hatosakao

ny fahavinirana amam-pahatezeranao

9mba handringana ny mpanohitra anay

ary hamongotra ny fahavalonay!

10Hafaingano ny fotoanandro farany

ary tsarovy fa efa voatendrinao izany;

dia hambaran’ny olona

ny zava-dehibe nataonao.

11Aoka ny afom-pamaizanao handevona izay afa-mandositra;

ary aoka ho tojo fahaverezana

ireo mpampahory ny vahoakanao!

12Torotoroy ny lohan’ireo lehibem-pahavalo,

dia ireo manao hoe: «Tsy misy tahaka anay!»

13aAngony avokoa ny foko taranak’i Jakôba.

16bKa avereno aminy indray ny zarataniny

toy ny nananany azy tamin’ny voalohany.

17Tompo ô, amindrao fo ilay vahoaka mitondra ny

anaranao,

dia i Israely izay nataonao hoe lahimatoanao.

18Angorahy ilay tanàna misy ny Toeramasinao,

dia i Jerosalema izay toeram-pitsaharanao.

19Ataovy manenika an’i Tsiôna

ny fankalazana ny asanao mahagaga

ary manenika ilay tempolinao ny voninahitrao.

20Aoka hijoroanao ho vavolombelona

ny aminay vahoakanao

izay noarinao tany am-boalohany;

ary tanteraho ny faminaniana

izay notononina tamin’ny anaranao.

21Omeo valisoa ireo olona manantena Anao

mba ho hita fa azo itokiana ireo mpaminaninao!

22Tompo ô, henoy ny vavak’ireo mpanomponao

araka ny hamoram-ponao amin’ny vahoakanao;

dia ho fantatry ny mponina rehetra ambonin’ny tany

fa Ianao no Tompo Andriamanitra maharitra mandrakizay.

Ny fahaiza-manavaka

23Hanina isan-karazany no levonin’ny kibo

kanefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.

24Ny biby voahaza dia avahan’ny lanilany

amin’ny alalan’ny tsiron-kenany;

toy izany koa ny teny mamitaka

dia avahan’ny fo mieritreritra.

25Hahatonga fahasahiranana ny fo miolikolika;

fa hamaly bontana azy ny olona voasedra.

Mahaiza mifidy ny hovadîna

26Hoekem-behivavy ho vady

izay lehilahy aroso ho azy;

kanefa ny zazavavy sasany

dia tsaratsara kokoa noho ny hafa.

27Mahamirana endrika ny lahy,

ny hatsaran-tarehin’ny vadiny,

ary mihoatra noho izay zavatra irîny;

28raha hatsaram-po sy halemem-panahy

no manenika ny tenin’io vehivavy io,

dia mihoatra noho ny an’ny lehilahy hafa

ny anjaran’izany lehilahy izany.

29Ny lehilahy mahazo vady

no manana santatry ny harena,

dia mpanampy mitovy aminy

sy andry natao hiankinany.

30Ny tany izay tsy misy fefy

dia hanjakàn’ny fandrobana;

ary ny lehilahy izay tsy manam-bady

dia hirenireny hombàn-tsentotsento.

31Tsy azo itokiana ny jiolahy fetsy

izay mitsipika mifindrafindra tanàna;

toy izany koa ny lehilahy tsy manam-ponenana

ka mandry any amin’izay aharivan’ny andro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help