1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo
. Salamo nataon’i Davida.2TOMPO ô, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho;
vinitra amiko Ianao nefa aza sazîna aho.
3TOMPO ô, iantrao aho fa reraka;
TOMPO ô, sitrano fa lany hery.
4Mangorohoro aoka izany aho;
fa Ianao kosa re, TOMPO ô,
aza mampiandry ahy ela loatra!
5TOMPO ô, miverena hanafaka ahy,
vonjeo aho noho ny fitiavanao.
6Fa ny maty tsy hahatsiaro Anao;
any amin’ny fonenany, tsy hisy hidera Anao.
7Trotraky ny sento aho; ka isan’alina
dia kotsan’ny tomaniko ny fandriako
ary vonton-dranomaso ny kidoroko.
8Jembin’ny alahelo tokoa ireto masoko,
efa pahina noho ny ataon’ny fahavaloko.
9Mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy,
satria efa ren’ny TOMPO ny fitomaniako.
10Eny, ren’ny TOMPO tokoa ny tarainako
ary noraisiny ny vavaka nataoko.
11Aoka ho menatra avokoa ny fahavaloko;
ho azon’ny horohoro izaitsizy anie ireo
ka hiverina ilalana, feno henatra tampoka!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.