Jeremià 20 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nafatotra tamin’ny tsatòka i Jeremià

1Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.

2Koa namely tehamaina an’i Jeremià mpaminany izy sady namatotra azy tamin’ny tsatòka teo anilan’ny vavahadin’i Benjamîna, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon’ny TOMPO.

3Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy:

–Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza».

4Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.

5Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.

6Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.

Mitaraina amin’Andriamanitra i Jeremià

7TOMPO ô, notaominao aho ka voataona;

ary nahery tamiko Ianao ka resy aho.

Fihomehezana aho isan’andro

sady fanebaky ny olona rehetra.

8Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho,

dia voatery miantso vonjy

ary mihorakoraka hoe:

Herisetra sy famoretana e!

Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô,

no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.

9Ary raha hoy aho anakampoko hoe:

«Tsy hisaintsaina izany intsony aho

na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony»,

dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko,

toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako.

Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.

10Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy

ka manome anaram-bosotra hoe:

«Fihorohoroana hatraiza hatraiza.»

«Torio izy», hoy ny sasany;

«Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa.

Ireo sakaiza tiako indrindra aza

dia miandry kendry tohina hahavoa ahy:

«Izay angamba no hahavoafitaka azy

sy haharesentsika azy, hoy ireo,

ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty

11Kanefa Ianao, TOMPO ô,

dia miaraka amiko hatrany

toy ny mpiady ikoizana.

Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo

fa tsy haharesy ahy.

Ho menatra izy satria tsy hahomby;

fahafaham-baràka mandrakizay

tsy hohadinoina izany.

12Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô,

Ianao no mamantatra ny olo-marina

sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony.

Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy,

satria efa nankiniko taminao ny adiko.

13Mihirà ho an’ny TOMPO;

eny, ankalazao ny TOMPO,

satria Izy no nanafaka ny malahelo

teo an-tanan’ny olon-dratsy.

*

14Ho voaozona anie ny andro nahaterahako,

dia ny andro izay niterahan’i Neny ahy;

eny, enga anie tsy hisy olona

hilaza izany hoe ombàm-pitahiana!

15Ho voaozona anie ny olona

izay nameno hafaliana ny raiko

tamin’ny nitenenany hoe: «Tera-dahy ianao!»

16Enga anie izany olona izany

ho tahaka ireo tanàna noravan’ny TOMPO

fa tsy azo nivalozana.

Aoka handre antso vonjy izy nony maraina,

ary akoran’ady nony mitataovovonana.

17Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy

ho faty hatrany am-bohoka?

Dia ho nahatonga an’i Neny ho fasako izany,

ka ho izy no ilay Ambatobevohòka.

18Nahoana ny tenako no tafavoaka

avy tao an-kibon-dreniko,

raha hahita fahoriana sy fijaliana aho

ka ho voakikin’ny henatra isan’andro izao?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help