2 Tantara 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nanao fanitsiana ara-pivavahana i Asà(Jereo 1 Mp 15.12-15)

1Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra;

2ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe:

–Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.

3Nandritra ny fotoana ela ny Israelita no tsy nanana an’ilay Andriamanitra marina, na mpisorona hampianatra na lalàna.

4Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.

5Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.

6Nifandringana ny firenena sy ny tanàna, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana isan-karazany.

7Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; satria hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.

8Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.

9Nisy Israelita betsaka, avy tamin’ny foko efraîmita sy manasita ary simehônita, nifindra monina sy nanatona an’i Asà rehefa nahita fa niaraka tamin’i Asà ny TOMPO Andriamaniny. Novorîn’ny mpanjaka ireo mbamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra

10ka tafavory tokoa tao Jerosalema tamin’ny volana fahatelon’ny taona faha-15 nanjakàn’i Asà.

11Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.

12Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;

13ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

14Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.

15Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.

16Na dia i Mahekà reniben’i Asà aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin’i Aserà. Noravan’i Asà io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.

17Kanefa tsy mbola foana teo amin’i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asà tamin’ny androm-piainany rehetra.

18Nampidiriny ho ao an-tranon’ny Tompo ireo zavatra voatokan-drainy sy voatokan’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

19Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona faha-35 nanjakàn’i Asà.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help