Bena-Siràka 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

AMBOARAM-PAMPIANARANA VOALOHANYNy foto-pahendrena

1Ny fahendrena rehetra dia avy amin’ny Tompo

ary koa mitoetra miaraka aminy mandrakizay.

2Iza moa no mahisa ny fasika eny amoron-dranomasina

sy ny teten-dranonorana ary ireo andron’ny mandrakizay?

3Iza moa no mahatakatra ny haavon’ny lanitra

sy ny haben’ny tany ary ny halalin’ny ranomasimbe?

4Voaary talohan’ny zava-drehetra ny fahendrena;

efa hatrizay hatrizay no isian’ny fisainana malina.

6Iza moa no nanambarana ny foto-pahendrena

ary iza no nahalala ny zavatra efany?

8Iray ihany no hendry sy mahatahotra indrindra,

dia ny Tompo Izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany.

9Ny Tompo mihitsy no nahary ny fahendrena;

Izy no nahita azy sy nanombantombana ny lanjany

sady nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra,

10dia tamin’ny olona rehetra araka ny halalaham-pony;

ary nomeny betsaka an’izany ireo tia Azy Tompo.

Ny fanajana ny Tompo

11Ny fanajana ny Tompo dia voninahitra ireharehana

ary koa fehiloha ifalifaliana sy iravoravoana.

12Ny fanajana ny Tompo dia mahamirana ny fo,

mahafaly sy mahasariaka ary manome andro lava.

13Izay manaja ny Tompo no ho tsara fiafara

ary hotahîna izy amin’ny andro hahafatesany.

14Ny fiandoham-pahendrena dia ny manaja ny Tompo;

ho an’ireo mpivavaka, dia hatrany an-kibon-dreny

no miara-miforona amin’ny tenany ny fahendrena.

15Nanorina fonenana mandrakizay teo amin’ny olona izy

ary mendrika hitokiana eo amin’ny taranak’ireo.

16Ny hafenoam-pahendrena dia ny manaja ny Tompo.

Vokisan’ny fahendrena amin’ireo vokany ny olona;

17fenoiny izay irîn’ny olona ny tranony manontolo,

ataony ampoky ny vokany ny sompitra fitehirizany.

18Ny fehiloham-pahendrena dia ny fanajana ny Tompo,

izay mampahavokatra fiadanana sy fahasalamana tsara.

19 Atosaky ny fahendrena toa ranonorana

ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ny saina;

asondrony voninahitra ireo manana azy.

20Ny foto-pahendrena dia ny manaja ny Tompo

ary ny sampany dia ny andro lava iainana.

Fahari-po sy fifehezan-tena

22Tsy azo omen-drariny velively

ny hatezerana tsy ara-drariny;

fa ny fisafoakan’ny olon-tezitra toy izany

dia mitarika azy amin’ny fahaverezana.

23Hatramin’ny fotoana mety no hiandrasan’ny mahari-po.

ka haverina aminy indray avy eo ny hafaliana.

24Hatramin’ny fotoana mety no hitanany mangina ny heviny;

ka ho tantarain’ny besinimaro ny fahamalinany.

Fahendrena sy hitsim-po

25Anisan’ny raki-pahendrena

ireo ohabolana vokatry ny fahaizana;

fa ny fanajana an’Andriamanitra kosa

dia maharikoriko ny mpanota.

26Ianao izay maniry ny fahendrena,

tandremo ny didin’Andriamanitra,

dia omen’ny Tompo anao izany.

27Ny fahendrena amam-pahalalana manko

dia ny fanajana an’Andriamanitra;

ary ny zavatra mahafinaritra Azy

dia ny toetra mahatoky sy ny halemem-panahy.

28Aza mandà ny fanajana ny Tompo,

ary aza fo miefitrefitra no anatonanao Azy.

29Aza mihatsaravelatsihy eo imason’ny olona,

fa tandremo ny teny avoakanao.

30Aza manandra-tena ianao fandrao miongana,

ka hitarika henatra ho an’ny tenanao;

fa ny Tompo hanambara ny zavatra afeninao

ka hampietry anao eo afovoan’ny fivoriam-bahoaka,

noho ianao tsy niroso tamin’ny fanajana ny Tompo

ary satria feno fihatsarambelatsihy ny fonao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help