1Nony hariva ny andro, dia samy dodona hody ireo mpanompon’i Hôlôferna. I Bagôà no nanakatona avy ety ivelany ny tranolain’i Hôlôferna ary nampihataka ny olona nasaina. Lasa namonjy fatoriana ireo satria sasatra avokoa noho ny fisotroana tafahoatra.
2I Hôlôferna izany doroky ny divay ka nivalandòtra teo am-pandriany; i Jodita irery sisa no tavela teo akaikiny, tao an-tranolay.
3Nilazan-dravehivavy ny mpanompovaviny mba hijoro ao ivelan’ny efitrano fandriana sy hiandry ny hivoahany hiala ny toby. Efa niteny manko i Jodita fa handeha hivavaka tahaka ny tamin’ny andro hafa izy. Zavatra toy izany koa no efa nambarany tamin’i Bagôà.
4Niala teo anatrehan’i Hôlôferna daholo ireo mpanompony; ka tsy nisy, na dia iray aza, nijanona tao amin’ilay fatoriany. Nijoro teo akaikin’ny fandrian’i Hôlôferna i Jodita no nanao anakampo hoe: «Ry Tompo Andriamanitry ny hery rehetra ô, mba ambino amin’ity ora ity ny asa hotontosaiko mba ho fisandratan’i Jerosalema.
5Izao no fotoana hamonjenao ny vahoakanao ka hanatanterahako ny tetika novolavolaiko mba handringanana ny fahavalo nanohitra anay.»
6Taorian’izay i Jodita dia nanatona ny baram-parafara teo akaikin’ny lohan’i Hôlôferna ka naka ny sabany teo.
7Dia nanakaiky kokoa ny fandriany izy ary nandray ny volon’i Hôlôferna sady niteny hoe: «Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô, mba herezo aho amin’izao ankehitriny izao!»
8Dia indroa i Jodita nanjànjana mafy an’i Hôlôferna teo amin’ny vozony ka nahatapaka ny lohony.
9Avy eo nakodiany tamin’ny tany ny vatany tapa-doha ary notsoahany tamin’ny andrim-parafara ny lamba aro moka; dia nivoaka faingana ny efitrano izy nitondra ny lohan’i Hôlôferna izay natolony an’ilay mpanompovaviny;
10ary nasitrik’ity mpanompovavy tao anaty kitapom-batsy izany. Dia niara-niainga izy roa vavy, araka ny fanaony handeha hivavaka. Rehefa namakivaky ny toby izy, dia niolaka nanodidina ny hady ary nananika ny tendrombohitr’i Betolia ka tonga teo am-bavahadin’ny tanàna.
Ny nidiran’i Jodita tao Betolia11Mbola lavitra i Jodita no niantsoantso tamin’ny mpiambina ny manda hoe:
–Vohay, vohay faingana ny vavahady! Momba antsika ilay Andriamanitra Andriamanitsika mba haneho indray ny fahefàny hanasoavany an’i Israely ary ny heriny hamelezany an’ireo fahavalontsika. Izao androany izao no nanaovany izany.
12Vao nandre ny feon’i Jodita ny mponin’i Betolià, dia nidina faingana hankeo am-bavahadin-tanàna ary nampiantso an’ireo loholona.
13Nirohotra teo ny besinimaro hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, satria sarotra ninoana mihitsy ho azy ny hiverenan’i Jodita. Novohana ny vavahady ary noraisin’ny olona izy roa vavy. Nisy afo narehitra mba hahitana mazava kokoa, ary nitangoronana izy roa vavy.
14Dia nanao feo mahery i Jodita no niteny taminy hoe:
–Derao Andriamanitra, derao Izy. Derao Andriamanitra Izay tsy nanesotra ny famindrampony tamin’ny vahaoka Israely. Ny tanako no nanamontsanany, tamin’ity alina ity, ny fahavalontsika.
15Tamin’izay i Jodita no nanatsoaka lohan’olona avy tao an-kitapo ary naneho izany tamin’ny besinimaro:
–Inty ny lohan’i Hôlôferna, ilay filoha faratampon’ny tafika asirianina. Ary inty ny lamba aro moka izay nisaronany fony izy nandry doroky ny divay. Ny Tompo no namely azy tamin’ny tanam-behivavy.
16Velona ny Tompo Izay niaro ahy tamin’izay lalana nalehako, ka milaza ny marina aho fa ny bikako no nambabo an’i Hôlôferna hahavoa azy. Tsy afa-nanao fahotana tamiko izy, ka tsy nahatonga henatra sy fahafaham-baràka ho ahy.
17Talanjona tokoa ny olona rehetra, ka niondrika nitsaoka an’Andriamanitra sy indray niteny hoe: «Derainay Ianao ry Andriamanitray ô, noho ny nandringananao androany ireo fahavalon’ny vahoakanao!»
18Ary hoy i Hôzià tamin’i Jodita:
–Anaka, hotahin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra anie ianao mihoatra noho ny vehivavy rehetra eto ambonin’ny tany! Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany! Izy no nitarika anao hanapa-doha ilay filohan’ny fahavalontsika.
19Tsy hohadinoina na oviana na oviana ny nitananao fanantenana; hotsarovan’ny olona hatrany izao hery nasehon’Andriamanitra izao.
20Enga anie Andriamanitra hanandratra anao mandrakizay! Ary enga anie izy hanototra soa anao satria tsy nitsitsy aina ianao fony tao anaty fietrena ny mpiray firazanana aminao! Nataonao dify antsika ny faharavana tamin’ny hitsimpo nizoranao teo anatrehan’Andriamanitra.
Dia novalian’ny olona rehetra teo hoe:
–Amen! Ho tanteraka anie izany!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.