Bena-Siràka Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana Ity boky ity dia asan’olona anankiray atao hoe Jesoa, zanakalahin’i Bena-Siràka, ka izany no iantsoana azy ankehitriny hoe Bokin’i Bena-Siràka (fiantsoana taloha: Eklesiastika na Eklesiastikosy). Niaina tao Jerosalema talohan’ny fikomian’ireo Makabeo izany mpanoratra izany. Olona fatra-pandalina ny Soratra Masina fampiasan’i Israely izy sady nahatety tany maro, ka anisan’ireo olon-kendry.

Na dia nanana saina mivelatra toy izany aza izy, dia tsy nanaiky lembenana teo anoloan’ny kolotsaina helenista, kolotsaina vaovao nentin’ireo Grika sy nihanaka tamin’ny firenena maro nanomboka hatreo amin’ny fanitaram-panjakàn’i Aleksandra Lehibe. Tsikelikely manko dia mety handrava ny fototra iorenan’ny jodaîsma na fivavahana jiosy izany. Ny kendren’ny Bokin’i Bena-Siràka dia ny hiaro ny lova ara-kolotsaina sy ara-pivavahana noraisin’ny firenena tamin’ireo taranaka israelita fahiny. Mba hanampiany an’ireo mpiara-belona aminy hitana ny maha izy azy eo anivon’ny tontolo misafotofoto, dia miezaka izy handresy lahatra fa tsy misy tokony hisarika an’i Israely hitsiriritra ny kolotsaina sy ny fomba amam-panao ary ny fivavahana helenista.

Ny rijan-teny hebreo momba ny Bokin’i Beny Siràka dia nahitana ampahany lavalava ihany, kanefa tsy voatahiry feno. Dikanteny grika nataon’ny zafikelin’ny mpanoratra no ananantsika feno an’ity boky ity; ka izany rijan-teny grika izany no iaingan’izao dikanteny malagasy izao.

Sarotra ny mahita drafitra mandravona an’ity lahatsoratra ity. Kanefa toa notsinjarain’ny mpanoratra ho dimy tonta ny fampianarany.

Amboaram-pampianarana voalohany: 1.1–16.23.

Amboaram-pampianarana faharoa: 16.24–23.27.

Amboaram-pampianarana fahatelo: 24.1–32.13.

Amboaram-pampianarana fahefatra: 32.14–42.14.

Amboaram-pampianarana fahadimy: 42.15–50.24.

Ity Amboaram-pampianarana fahadimy ity no ankalazan’ny mpanoratra an’ilay Andriamanitra Mpahary sy anaovany fiderana an’ireo razambe, manomboka hatreo amin-dry i Henôka sy i Nôà ka hatrany amin-dry i Nehemià... sy i Simôna faha-2 mpisorombe izay maty tamin’ny taona 195 tal J.K.

Mpandova ny lahatsoratr’ireo olon-kendry (tahaka ny Bokin’i Jôba fa indrindra ny Ohabolana) ny mpanoratra, ka mampiasa ny zavatra tsapany sy niainany mba hanasoavana ny tanora vao misondrotra, mba hampianarana azy ny fahaiza-miaina araka ny sitrak’Andriamanitra amin’ny fotoan-drehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help