Salamo 144 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavaky ny mpanjaka

1 Nataon’i Davida.

Hisaorana anie ny TOMPO vatolampiko,

Ilay manazatra ahy hamely fahavalo

sy manomana ahy hiady amin’ireo!

2Izy no fialofako sy fonena-mimandako

fiarovana avo sy mpanafaka ahy.

Izy no ampingako sy fiereko,

mampietry firenena maro hanoa ahy.

3TOMPO ô, mba inona moa ny olombelona no ahînao

sy izay zanak’olombelona no karakarainao?

4Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany;

ny androm-piainany toa aloka mihelina.

5TOMPO ô, mba aletseo ny lanitra ka midîna;

tendreo ny tendrombohitra hanetona.

6Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka;

alefao ny zana-tsipîkanao hifanaretsaka.

7Ny tananao atsory avy any ambony

mba hisarika ahy ho afaka amin’ny ranobe,

dia amin’ny famelezan’ny hafa firenena,

8izay miteny fitaka ny vavany

ary fianianana tsy marina

no anandratany tanana ankavanana.

9Andriamanitra ô, hihirako hira vaovao Ianao

ary hankalazaiko amin’ny valiha torifolo:

10«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka

sy manafaka an’i Davida mpanomponao.»

11Vonjeo tsy ho voan’ny sabatry ny olon-dratsy aho,

afaho amin’ny famelezan’ny hafa firenena,

izay miteny fitaka ny vavany

ary fianianana tsy marina

no anandratany tanana ankavanana

12Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo:

toy ny hazo tanora maroroka fitsiry!

Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro,

izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!

13Ny sompitray anie ho feno hika,

ho hipoka vokatra isan-karazany!

Ny biby fiompy any an-tsahanay anie

hitombo arivoarivo sy alinalina!

14Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy,

ka ny mandanay anie tsy hisy banga!

Samy tsy hisy koa na ny faharesena

na ny fibabababàna eny an-kianja!

15Sambatra ny firenena

izay hahazo fanambinana toy izany!

Sambatra ny firenena

izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help