1Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin’ny taniefitra Sina, eo anelanelan’i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny volana faharoa, andro faha-15 taorian’ny nialany tany Ejipta.
2Nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo,
3ka nanao taminy hoe:
–Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!
4Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan’andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia.
5Fa amin’ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan’andro.
6-8Ary i Mosesy sy i Aharôna dia niteny tamin’ny Israelita hoe:
–Anio hariva ny TOMPO dia hanome hena hohaninareo, satria henony tokoa ny fimonomononanareo taminy; izany no hahafantaranareo fa Izy TOMPO no namoaka anareo tany Ejipta. Ary rahampitso maraina dia hanome mofo hahavoky anareo Izy, ka izany no hahitanareo ny voninahiny. Ny aminay kosa, inona moa izahay no imonomononanareo? Raha manao izany manko ianareo, dia tsy izahay no imonomononanareo fa ny TOMPO.
9Avy eo dia nanome baiko an’i Aharôna i Mosesy hoe:
–Ilazao avokoa ny vahoaka Israely mba ho tonga hiseho eo anatrehan’ny TOMPO, satria efa reny ny fimonomononan’izy ireo.
10Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.
11Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
12–Reko ny fimonomononan’ny Israelita. Ilazao izy ireo hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina dia ho voky mofo ianareo; amin’izay dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
13Nony hariva, dia tonga tokoa ny papelika ka nipetraka teny amin’ny toby; ary nony maraina, dia nisy ando matevina manodidina ny toby.
14Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.
15Hitan’ny Israelita ireny nefa tsy fantany, ka nifanontany izy hoe:
–Inona itony?
Fa novalian’i Mosesy hoe:
–Itony no mofo izay nomen’ny TOMPO hohaninareo.
16Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.»
17Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely.
18kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.
Fitsipika isan-karazany momba ny mana19Dia hoy i Mosesy tamin’ny Israelita:
–Aoka tsy hisy olona hamela sisa ho tra-maraina.
20Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy.
21Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny.
22Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,
23ka hoy i Mosesy hoe:
–Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.
24Dia navahan’izy ireo hotahirizina mandra-maraina ny ambiny araka izay nodidian’i Mosesy, nefa tsy maimbo na feno olitra.
25Ary hoy i Mosesy taminy:
–Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany.
26Andro enina no ahazoanareo manangona sakafo; fa amin’ny andro fahafito, andro sabata, dia tsy hisy.
27Tamin’ny andro fahafito anefa dia mbola nisy ihany Israelita sasany nivoaka ny toby mba hanangona, fa tsy nahita na inona na inona.
28Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako?
29Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.
30Dia nitsahatra ny vahoaka Israelita tamin’ny andro fahafito.
31Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.
32Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita:
–Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»
33Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna:
–Makà siny tany ka asio mana inefatry ny zingan-drano, dia apetraho eo anatrehan’ny TOMPO mba hotahirizina ho an’ny taranakareo.
34Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina.
35Nandritra ny efapolo taona no nihinanan’ny Israelita ny mana, ambara-pahatongany tany amin’ny tany misy mponina, izany hoe mandra-pidirany teo amin’ny sisin-tanin’i Kanahàna.
36Ny fatran’ny mana fanangona dia efatra zingan-drano eo ho eo, izany hoe ampahafolon’ny famarana mahazatra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.