2 Makabeo 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Voaendrikendrik’i Simôna i Ônià

1Io Simôna voalaza tetsy aloha io, ilay mpitati-bolana ny amin’ny tahirin-drakitry ny tempoly sady mpamadika n y tanindrazany, io ihany koa no nanendrikendrika an’i Ônià ho namelively an’i Heliôdôra sy fototry ny loza nihatra taminy.

2Sahin’i Simôna nolazaina ho mpikomy amin’ny fitondrana aza i Ônià, ilay mpanao soa ny tanàna sy mpiaro ny mpiray firenena aminy ary mpitandro mafana fo ny lalàna.

3Lasa lavitra loatra izany fankahalana izany ka vonon’olona mihitsy no vitan’ny anankiray amin’ireo mpomba an’i Simôna.

4Tsapan’i Ônià sy loza aterak’izany fifampiandaniana izany; ary hitany fa i Apôlôny, zanakalahin’i Menestea sady governoran’i Kôilà-Siria mbamin’i Fenisia, dia mampirisika ny haratsian’i Simôna.

5Dia lasa nankany amin’ny mpanjaka i Ônià, tsy hoe mba hiampanga ny mpiray firenena aminy fa mba hiaro ny tombontsoa iombonana sy manokana ho an’ny vahoakany rehetra.

6Takatr’ity mpisorombe manko fa tsy misy azo andaminana izay toe-javatra izany na ampitsaharana ny zava-doza natombok’i Simôna, afa-tsy ny fanelanelanan’ny mpanjaka ihany.

Nanery ny Jiosy hanaraka ny fomba grika i Jasôna mpisorombe(1 Mak 1.10-15)

7Rehefa maty i Sekeokôsa, dia nodimbiasan’i Antiôkosa ilay natao koa hoe Epifana. Tamin’izay i Jasôna rahalahin’i Ônià no nitetika hisazoka ny andraikitra maha mpisorombe.

8Niresaka tamin’ity mpanjaka i Jasôna ka nampanantena azy volafotsy folo taonina avy amin’ny hetra ary koa volafotsy roa taonina avy amin’ny vola hafa miditra.

9Nirotsaka koa izy hanao fanekena an-tsoratra fa handoa volafotsy efatra taonina indray, raha omen’i Antiôkosa lalana hanorina kianja fanaovam-panatanjahan-tena sady hasiana sekolin-jazalahy ary hanao lisitra ireo mponin’i Jerosalema mendrika ho olom-pirenen’i Antiôkosa.

10Ary neken’ny mpanjaka izany.

Vao nahazo fahefana i Jasôna, dia nitaona ny mpiray firenena aminy mba handray ny fomba fiaina grika.

11Nesoriny ny fanafoanan-ketra nomen’ireo mpanjaka malala-tanana teo aloha ho an’ny Jiosy noho ny fanelanelanana nataon’i Jôhany, rain’i Eopôlema. Ity Eopolema ity no nalefa ho masoivoho hanao fanekem-pihavanana sy fanekem-piarahamiasa amin’ny Rômanina. Noravan’i Jasôna koa ny sata mifanaraka amin’ny lalànan’Andriamanitra; fa fomba mifanohitra amin’izany no naoriny.

12Fahafinaretana ho azy ny nanorina foibe fanaovam-panatanjahan-tena, teo am-pototr’ilay havoana niorenan’ny tempoly, sy ny nampirisika ireo zatovolahy havanana indrindra hanao fanazaran-tena tahaka ny Grika.

13Nandroso fatratra ny fanarahana fomba grika, ary niditra haingana ny fomban’ny firenen-kafa. Izany no vokatry ny haratsiana mihoa-pampana nananan’i Jasôna izay mpankahala fivavahana fa tsy mpisorombe akory,

14hany ka ny mpisorona dia tsy nazoto intsony nanatontosa ny fanompoana teo amin’ny alitara: ny tempoly notsiratsirain’ireo, ny sorona nataony tsirambina; fa raha vao naneno ilay feon-javatra fiantsoana, dia maika erỳ ny mpisorona nankany amin’ilay kianja mba handray anjara amin’ny fanaovam-panazavana ara-panatanjahan-tena, izay voararan’ny lalànan’Andriamanitra.

15tsy noraharahain’ny mpisorona akory ny fanao mendri-kaja nentim-paharazana; fa ny zavatra nomem-boninahitra teo amin’ny Grika no nataony ho tena zava-dehibe.

16Izany no nahatonga azy hianjadian’ny toe-java-manahirana; fa ireo indrindra izay notsiriritiny fomba fiaina sy notadiaviny hotahafina amin’ny lafiny rehetra aza no nahitany fahavalo ama-mpampahory.

17Tsy afa-maina izay mandika ny didin’Andriamanitra; ny zava-kitranga manaraka no hanaporofo izany.

I Jerosalema nandairan’ny fomba sirianina

18Tamin’ny nanatontosana ilay lalao fanao isaky ny dimy taona tany Tiro, lalao izay natrehin’ny mpanjaka,

19dia nandefa mpizaha ho solotenan’i Jerosalema ilay Jasôna tsy valahara. Olom-pirenen’i Antiôkia ireo solotena ireo ka nampitondrainy drakina volafotsy telonjato hanaovan-tsorona amin’i Herakleo; kanefa ireto mpitondra vola ireto mihitsy no nihevitra ny tsy tokony hanaovana izany sorona izany ilay vola fa hatokana ho an’ny fandaniana hafa.

20Nokendren’i Jasôna mpandefa azy mba hanaovan-tsorona ho an’i Herakleo ireo drakina telonjato ireo, kanefa nolanîna tamin’ny fanamboaran-tsambo misy ambaratonga telo fivoizana azy, satria izany no fanirian’ireo mpitondra ny vola.

21Nirahin’i Antiôkosa Epifana ho any Ejipta i Apôlôny, zanakalahin’i Menestea, hanatrika ny lanonam-panambadian’i Ptôlemeo Filômetôra mpanjaka; tamin’izay no nandrenesan’i Antiôkosa fa toherin’io mpanjakan’i Ejipta io ny fomba fitondrany sady nieritreretany ny hiaro ny taniny. Koa nankany Jôpa izy, dia tany Jerosalema indray nony avy eo.

22Fatratra ny nandraisan’i Jesôna sy ny tao an-tanàna azy, fa notsilovin’ny fanilo sy nombam-pihobiana no nidirany tao Jerosalema; dia niverina ho any Fenisia niaraka tamin’ny tafiny i Antiôkosa.

Tonga mpisorombe i Menelà

23Nony afaka telo taona, dia nirahin’i Jasôna ho any amin’ny mpanjaka i Menelà rahalahin’ilay Simôna voatantara etsy aloha, hanatitra vola no anton-diany ary koa hamita fampiraharahana momba ny toe-javatra maika.

24Kanjo rehefa naroso teo amin’ny mpanjaka i Menelà, dia nanome voninahitra azy tamin’ny nanaovany fihetsik’olona ambony; ary nanao izay hanomezana ny tenany ny andraikitra maha mpisorombe i Menelà, ka nanolotra volafotsy mihoatra ny valo arivo kilao noho ny an’i Jasôna.

25Nony voarainy tamin’ny mpanjaka ny taratasim-panendrena azy ho mpisorombe, dia niverina ho any Jerosalema izy. Tsy nisy nananan’i Menelà ny hatsaram-panahy takîn’ny maha mpisorombe; fa fisafoaky ny mpanapaka masiaka sy haromotan’ny bibidia no toetrany.

26Noho izany i Jasôna, izay nandimby am-pitaka ny rahalahiny, dia mba nisy olon-kafa nandimby azy am-pitaka koa, hany ka voatery nandositra tany amin’ny faritr’i Hamàna izy.

27Ny amin’i Menelà kosa dia nahazo ny fahefana izy nefa tsy nandoa ny vola nampanantenainy ny mpanjaka,

28na dia efa nitaky taminy aza i Sôstraty kômandin’ny toera-mafin’i Jerosalema sady tompon’adidy amin’ny fandraisan-ketra. Ka dia samy voaantso ho any amin’ny mpanjaka izy roa lahy.

29I Menelà moa nametraka an’i Lisimaka rahalahiny ho mpisorombe misolo azy tamin’izay; i Sôstraty kosa nametraka an’i Krateta, lehiben’ny miaramila Sipriôty ho solony.

Novonoina i Onià

30Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Malôta, satria natolotry ny mpanjaka ireo tanàna ireo ho fanomezana ho an’i Antiôkida vaditsindranony.

31Ka niainga faingana ny mpanjaka handamina izany raharaha izany; fa i Andrônika, iray amin’ireo mpifehy ambony, no napetrany hisolo azy.

32Noheverin’i Menelà fa tsara hohararaotina ny toe-javatra ka nalainy ny fitaovana volamena vitsivitsy tao an-tempoly, dia nomeny an’i Andronîka; ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tiro sy tamin’ireo tanàna manodidina.

33Nony fantatr’i Ônià mazava izany ratsy nataon’i Menelà izany, dia nihataka tao amin’ny toeram-pialofana tany Dafne akaikin’i Antiôkia izy, ka avy ao no nandefasany teny fanakianana an’i Menelà.

34Tamin’izay kosa dia nanao resaka mangingina tamin’i Andrônika, i Menelà ka nanery azy hamono an’i Ônià. Dia nankany amin’i Ônià i Andrônika, ary nanao hafetsena handresen-dahatra azy sady nandray tanana azy ombam-pianianana. Ka voatarik’i Andrônika hivoaka ny toeram-pialofany izy, na dia mbola nisy nampanahy azy ihany aza; saingy vantany vao tafavoaka i Ônià, dia novonoin’i Andrônika tsy niraharahany akory izay rariny.

35Noho izany, dia tsy ny Jiosy ihany fa betsaka koa tamin’ireo hafa firenena no taitra sy tezitra tamin’ny famonoana tsy an-drariny an’izany lehilahy izany.

Ny nahafatesan’i Andrônika mpamono olona

36Nony tafaverina avy any Silôsia ny mpanjaka, na ny Jiosy tao Antiôkia na ireo Grika mpankahala fanaovana an-keriny dia samy tonga nitaraina tao aminy noho ny namonoana tsy an-drariny an’i Ônià.

37Tafalatsaka lalina tao am-pon’i Antiôkosa ny alahelo an’i Ônià; onena azy fatratra izy, ka nirotsa-dranomaso nahatsiahy ny fahononan-tena sy fahaiza-mandanjalanja fatratra nananan’ity maty.

38Dia nirehi-pahatezerana i Antiôkosa, ka nampanesoriny niaraka tamin’izay ny fanamiana jaky teny amin’i Andrônika sady nampanendahiny ny fitafiany, dia nampitaritarihiny eran’ny tanàna izy hatrany amin’ilay toerana namonoany am-pitaka an’i Ônià; ka teo koa no nampamonoany an’ilay tsy mifaditrovana. Toy izany no nanoloran’ny Tompo an’i Andrônika ny sazy tandrify azy.

Ny nahafatesan’i Lisimàka rahalahin’i Menelà

39Nisy hala-javatra masina betsaka nataon’i Lisimàka niray tetika tamin’i Menelà tao an-tempolin’i Jerosalema; ka fitaovana volamena maro no efa niparitaka. Nihahaka eran’ny tanàna izany vaovao izany, ka niodina tamin’i Lisimàka ny besinimaro.

40Rehefa hitan’i Lisimàka ity vahoaka nikomy sady feno fahatezerana, dia lehilahy sahabo ho antokon-tafika telo no nampirongoany fiadiana ka namely tsy an-drariny an’ireto mpikomy. Ny antokon-tafika kosa dia notarihin’olona anankiray atao hoe Aoràna, lehilahy sady be taona no heni-pahadalana.

41Vao nahafantatra ny famelezan’i Lisimàka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany naka kibay; nisy aza nandraoka lavenon-tsorona sendra hitany teo, ka tanaty fifanjevoana no namafazany azy tamin’ny antokon-tafik’i Lisimàka.

42Betsaka no naratran’ny vahoaka tamin’ireo mpomba an’i Lisimàka, maro no matiny, ary ny sisa rehetra nataony vaky nandositra; i Lisimàka, ilay mpanimbazimba zava-masina, kosa novonoiny teo akaikin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tempoly.

Novotsorana tsy an-drariny i Menelà

43Ny amin’izany zavatra izany, dia natomboka ny famotorana mba hamelezana an’i Menelà.

44Nony tonga tao Tiro ny mpanjaka, dia olona telo lahy nirahin’ny Antenimieran-doholon’i Jerosalema no nametraka ny fitoriana.

45Hitan’i Menelà fa ho resy izy, ka nampanantenainy vola be i Ptôlemeo zanakalahin’i Dôrimena mba handresy lahatra ny mpanjaka hiandany aminy.

46Dia notarihin’i Ptôlemeo ny mpanjaka hankeo ambany lavarangana manodidina mba mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany.

47Nolazain’ny mpanjaka fa tsy diso araka ny fitoriana azy i Menelà; kanefa izy io mihitsy no fototr’ireo heloka isan-karazany ireo. Nohelohin’i Antiôkosa ho faty kosa iretsy iraka mampahonena; kanefa na dia teo anatrehan’ny Sitianina aza no nitondran’izy telo lahy ny fitoriany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny.

48Ka avy hatrany dia niharan’izany fanamelohana tsy an-drariny izany ireto olona nitolo-tena niaro ny tanàna ny Jerosalema sy ny vahoaka jiosy ary ny zava-masina.

49Hatramin’ny Tirianina avy no tezitra tamin’izany ka nanao fandevenana manetriketrika ho an’ireto novonoina ho faty.

50I Menelà kosa, noho ny fitiavam-bolan’ny manampahefana, dia tafajanona tamin’ny andraikiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin’ny mpiray firenena aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help