1Nony fantatr’i Môrdôkay ny zava-nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona; ary nidodododo nitety ny kianjan’ny tanàna izy sy nihorakoraka mafy hoe: «Tiana hofoanana ny firenena anankiray tsy nahavita ratsy!»
2Tonga hatrany anoloan’ny lapa aza i Môrdôkay, saingy nijanona teo satria tsy azony nidirana ny kianjan’ny lapa noho izy nitafy gony sy nihoson-davenona.
3Tany amin’ny faritany tsirairay nampielezana ny taratasy dia nidradradradra ny Jiosy sady nandondon-tratra; nitafy gony ireo sy nandry teo ambony lavenona.
4Tonga nilaza izany tamin’i Estera mpanjakavavy ireo mpanompovaviny sy tandapany. Dia very hevitra tokoa izy nandre izany toe-javatra izany, ka nampanatitra akanjo hitafian’i Môrdôkay mba hanesorany ny gony teny aminy; kanefa tsy neken’io izany.
5Ary nantsoin’i Estera i Hakrateo, ilay tandapa nanompo azy, ka nalefany hanontany an’i Môrdôkay ny zava-niseho marina.
7Dia nambaran’i Môrdôkay taminy ny zava-nitranga sy ny fampanantenana nataon’i Hamàna tamin’ny amperôra momba ny volafotsy telonjato taonina natokany ho an’ny Tahirim-panjakana noho ny handringanana ny Jiosy.
8Nomeny an’i Hakrateo koa ny kopian’ny rijan-teny naely tao Soza handringanana ny Jiosy mba hasehony an’i Estera. Nilazan’i Môrdôkay koa i Hakrateo mba hiangavy an’i Estera hankao amin’ny amperôra ka hangataka famindrampo aminy sy hitalaho ho an’ny firenena nipoirany. «Tsarovinao hoe, ry Estera, ny andro izay niainanao tsotsotra, fony aho nanabe anao. I Hamàna izay laharana faharoa eo amin’ny fitondrana manko dia niteny tamin’ny amperôra mba hampamono antsika Jiosy ho faty. Antsoy ny Tompo ary iteneno momba antsika ny amperôra. Afaho amin’ny fahafatesana isika!»
9Dia lasa i Hakrateo nitatitra ireo teny ireo tamin’i Estera;
10fa mbola nirahin’ity mpanjakavavy indray izy hilaza amin’i Môrdôkay hoe:
11«Ny firenena rehetra ato amin’ny fanjakana dia samy mahalala fa na iza na iza, na lehilahy na vehivavy, miditra ao an-kianjan’ny lapa mba hankeo amin’ny amperôra kanefa tsy nantsoiny, dia tsy maintsy hovonoina ho faty; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny amperôra.»
12Rehefa nilazan’i Hakrateo ny teny rehetra avy amin’i Estera i Môrdôkay,
13dia izao no nasainy havaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ianao irery ato anatin’ny fanjakana no ho afaka amin’ny Jiosy rehetra.
14Raha hangina mihitsy ianao amin’ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fiarovana hipoitra avy any an-kafa ho an’ny Jiosy; fa ny tenanao sy ny fianakavianao no haringana. Ary iza no mahalala fa angamba hiatrika ’ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»
15Dia nampiverenin’i Estera ilay mpitondra hafatra mba hilaza amin’i Môrdôkay hoe:
16«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Soza; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Tsy hitendry hanina koa ny tenako sy ireo tovovavy mpanotrona ahy. Avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany ary na dia tsy maintsy ho faty aza aho!»
17Dia lasa i Môrdôkay nanao araka izay rehetra nandidian’i Estera azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.