Bena-Siràka 43 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny habakabaka sy ny masoandro

1Endrey ny habakabaka, erỳ ambony,

fa madio mangatsakatsaka tokoa;

endrey ny endriky ny lanitra,

rehefa tazana mamirapiratra!

2Ny masoandro miseho amin’ny fiposahany

dia manambara fa tena zava-mahagaga

ny asa ataon’ilay Avo Indrindra.

3Ny masoandro, rehefa mitataovovonana,

dia mahakarankaina ny tany;

ka iza no hahatanty ny hafanàny?

4Arehitra hivaivay ny afon’ny lafaoro

ho an’ny asa mitaky hafanàna;

fa intelo henin’izany ny hafanàn’ny masoandro

izay mampidonaka ny tendrombohitra.

Mifofofofo mamoaka eton’afo ny masoandro

ary mandefa tara-pahazavana

izay mampanjambena ny maso.

5Lehibe ny Tompo Izay nanao ny masoandro;

ary araka ny didiny no anohizany

ny fihazakazahana tontosainy.

Ny volana(Jereo Gen 1.14; 8.22; Sal 104.19)

6Ny volana koa dia manaraka lalandava

ny ora voatendry hiposahany

ho fanondroana ny fotoanandro

ary ho famantarana ny faharetany.

7Ny volana no famantarana ny andro fety,

fony izy mihena hazavana, aorian’ny fenomanana.

8Avy aminy no mahazo anarana

ny volana fitsinjaran-taona;

ary mampitolagaga ny fitombony

ao anatin’ny fiovaovàny samy hafa.

Izy no fanala manilo ny kintana

izay tafika mitoby eny ambony eny;

izy no fanala mamirapiratra

eo amin’ny habakabaky ny lanitra.

Ny kintana sy ny planeta(Jereo Is 40.26; Jôb 25.2-3; Bar 3.34-35)

9Ny kintana sy ny planeta manjopiaka

no mampisy endrika ny habakabaka:

izany no ravaka mamirapiratra

eny amin’ny toerana ambony dia ambony eny.

10Araka ny didin’ilay Masina

no aharetany eo amin’ny sehatra

izay voatendry hisy azy avy;

ary tsy mba misy mihalangalana ireny

eo amin’ny fiambenana sahaniny.

Ny zava-mahatalanjona eo amin’ny voaary(43.11-12; jereo Gen 9.12-17; Ezek 1.28; Ben-Sir 43.13-33; jereo Jôb 36.27–37.24; 38.22-38)

11Jereo ny avana, ka isaory Ilay nanao azy;

fa tsara tarehy fatratra ny avana

amin’ny fahazavàny mangarangarana.

12Faribolana mamiratra no soritany

eny amin’ny habakabaka eny;

ny tanan’ilay Avo Indrindra mihitsy

no efa nanenjana azy toy izany.

13Noho ny baiko ataon’ny Tompo ihany

no irotsahan’ny vongan-dranomandry

sy mahadodom-piavy ny hela-baratra

izay mpanatanteraka ny fitsarany.

14Izany no isokafan’ny firaketany

ka ivoahan’ny rahona miala tao

sy anidinkidinany toy ny vorona.

15Ny fahefàn’Andriamanitra no mampivongana ny rahona

ary mampisilasilaka azy hanjary havandra vaventy.

17aMampihorohoro ny tany ny fidoboky ny kotrokorany;

16ary rehefa miseho Izy, dia mihozona ny tendrombohitra.

Araka ny sitrapony no itsofan’ny rivotra avy any atsimo

17bna ny tafioka avy any avaratra sy ny tadio

mitambolina.

Andriamanitra no mandrotsaka ny oram-panala

toy ny vorona midaboka amin’ny tany;

ary toy ny andiam-balala hipetraka

no filatsahan’izany oram-panala izany.

18Fotsy mangatsakatsaka izy ka mampitolagaga ny maso,

ary mivatravatra fiavy ka tena mahavariana ny fo.

19Afafin’Andriamanitra koa ny fanala

ho tahaka ny sira miely amin’ny tany;

dia hamafisin’ny hatsiaka ireny

ho tahaka ny tendron-tsilo maranidranitra.

20Rehefa injay manomboka mifofofofo kosa

ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra,

dia misy ranomandry mivaingana

eny ambonin’ny velaran-drano;

ny ranovory isan-karazany

no iantefan’izany rivotra izany,

ka mova tsy akanjo vy fiarovan-tena

no fitafiana andrakofany azy.

21Mandoro ny tendrombohitra kosa ny rivo-mafana

ary mandazolazo ny eny an-tsaha eny,

ka toy ny afo mandevona ny zava-maitso.

22Kanefa ireny zavatra simba ireny

dia ny rahona vonton-drano no fanafodiny;

ary ny ando tonga no mitondra fiononana

aorian’ny hafanàna migaingaina.

23Araka ny fandaharan’Andriamanitra

dia nampitoniany ny ranomasimbe

ka nisy nosy novoleny teo anivony.

24Tantarain’ireo mandeha an-tsambo

eny ambonin’ny ranomasina eny

ny loza mety mitranga ao aminy,

ka talanjona dia talanjona isika

mandre ny famisavisàny azy,

25sady ao koa no misy ny zava-boaary

hafahafa endrika sy mampitolagaga,

dia ny karazan-java-mananaina maro

sy ny trozona rehetra anaty ranomasina.

26Tantanan’Andriamanitra ny zava-drehetra

hizotra tsara mankany amin’izay hiafarany;

noho ny teniny no aharetany miara-mirindra.

27Afaka milaza betsaka toy izany izahay,

nefa tsy hahatapitra ny tokony hambara;

ka dia izao no farateny ataonay:

Andriamanitra no fototry ny zavatra rehetra.

28Tsy manan-kery velively izahay

hanomezam-boninahitra Azy,

satria Izy no Ilay Andriamanitra Lehibe,

ambony noho ny asany rehetra.

29Mahatahotra ny Tompo sady lehibe tsisy fetra;

ary mampitolagaga tokoa ny fahefàny.

30Raha manome voninahitra ny Tompo ianareo,

dia manandrata Azy araka izay azonareo atao,

kanefa mbola ho tafahoatra noho izany ihany Izy;

ary raha manandratra Azy ianareo,

dia mahereza hatrany ka aza mitsahatra

satria tsy hahatapitra ny tokony hambara.

31Iza moa no efa nahita an’Andriamanitra

ka afaka hanambara ny momba Azy?

Iza no mahay mankalaza Azy

araka izay tena tokony ho sahaza Azy?

32Vitsivitsy amin’ny asany ihany no hitantsika,

fa mbola betsaka ny zava-miafina amintsika

ary lehibe kokoa noho ireo voatanisa ireo aza.

33Eny, ny Tompo no nanao ny zavatra rehetra;

ary ny olona tia vavaka no efa nomeny fahendrena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help