Isaià 23 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fahavoazan’i Fenisia

1Hafatra momba an’i Tiro.

«Midradradradrà mafy ianareo,

ry sambon’i Tarsisy ô,

satria rava ny serananareo.»

Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra

no nandrenesany izany vaovao izany.

2«Aoka tsy hahateny tsy hahavolana

ianareo mponina amoron-tsiraka,

dia ianareo mpandranto ao Tsidôna

izay mandefa iraka hamakivaky ny ranomasim-be.»

3Izay afafy eny amoron’i Neily

dia i Tsidôna no mioty azy;

izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.

4Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna,

tanàna mimanda eo amoron-dranomasina!

Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe:

«Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka,

laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy.

5Raha mandre izany i Ejipta, dia hihoron-koditra

tahaka ny hampihoron-koditra azy koa

noho izay efa hanjo an’i Tiro.

6«Ndeha mamaky ranomasina hatrany Tarsisy

ka manaova antsoantsom-pitarainana,

ianareo mponina amoron-tsiraka.

7Dia ity tokoa ve ilay tanànareo

izay naresaka dia naresaka fahiny,

sy efa niorina hatry ny ela

ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any?»

8Iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro

izay mpizara satroboninahi-panjakana?

Ny mpandrantony dia tahaka ny printsy

ary ny mpandraharahany anisan’ireo olona

nohajaina tetỳ an-tany,

ka iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro?

9–Ny TOMPOn’izao rehetra izao

no nanapa-kevitra hanao izany

mba hanetrena ny fireharehana

eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra

sy hanaovana tsinontsinona

ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.

10«Voleo ny taninao, ry Tiro,

ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily,

satria tsy hisy seranana intsony

ho an’ny sambon’i Tarsisy.»

11Efa naninji-tanana ny TOMPO,

mba handrahonana ny ranomasina,

efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy,

ary efa nanome baiko handravana

ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.

12Fa hoy ny Tompo hoe:

«Tsy afaka hiravoravo intsony

ianareo mponina ao Tsidôna

fa afa-baràka toy ny virijiny naolana.

Na hiainga aza ianareo ka hiampita

hatrany amin’ny nosy Sipra,

dia tsy hanam-pitsaharana any akory.

13Mba jereo ange ity tanin’i Sipra!

Tsy misy intsony ny maha firenena azy.

Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana

eo anivon-dranomasina io nosy io,

ary nananganany tilikambo fitiliana

sy nanorenany tanàna mimanda;

kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.

14Midradradradrà mafy ianareo,

ry sambon’i Tarsisy ô,

satria rava ny fialofanareo.»

15Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe:

16«Raiso ny lokanganao

ka tetezo ny tanàna,

ry kala janga hadino.

Mitendre tsara ianao

ka mahereza mivazovazo

mba hahatsiarovana anao.»

17Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin’ny firenena rehetra eran-tany.

18Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help