Estera Grika 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Androtr’io ihany dia nomen’ny amperôra Artakserksesa ho an’i Estera ireo zavatra rehetra nananan’i Hamàna ilay mpiampanga. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin’i Estera fa mpihavana aminy izy, dia nantsoin’ny amperôra.

2Ary nesorin’i Artakserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin’i Hamàna, ka nomeny an’i Môrdôkay. Ankoatra izany i Môrdôkay dia notendren’i Estera hitantana ireo zavatra rehetra fananan’i Hamàna.

Didin’ny amperôra hiarovana ny Jiosy

3Dia niteny teo anatrehan’ny amperôra indray i Estera sady niankohoka teo an-tongony ka nangataka taminy mba hanafoana ny loza notetehin’i Hamàna sy ny zavatra rehetra nataony hamelezana ny Jiosy.

4Ary notondroin’ny amperôra tamin’ny tehim-bolamena i Estera, ka nitsangana sy nijoro teo anatrehany

5ary nanao hoe:

–Ry andriamanjaka, raha sitrakao ary raha mba tsara fanahy amiko ianao, dia aoka hisy fanafoanana ireo taratasy nalefan’i Hamàna, taratasy izay nosoratany hampandringana ny Jiosy manerana ny fanjakànao.

6Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko? Ary ahoana no hahazoako miaina kanefa ireo iray razana amiko ho ringana?

7Dia hoy ny amperôra tamin’i Estera:

–Nataoko izay nahafaly anao ka nasaiko nahantona tamin’ny hazo i Hamàna noho izy naninji-tanana hamely ny Jiosy; ny zavatra rehetra fananan’i Hamàna dia efa nomeko anao; ka inona indray no mbola tadiavinao ho azo?

8Tsy azo toherina ny taratasy rehetra voasoratra araka ny baiko nataoko sy voatomboka tamin’ny peratra; kanefa ianao sy i Môrdôkay dia manorata taratasy amin’ny anarako araka izay heverinareo fa mety, ary tombohy amin’ny peratra izany.

9Tamin’ny volana voalohan’io taona io ihany na hoe volana Nisàna, nony andro faha-23, dia nantsoina ireo mpitantsora-panjakana. Ny Jiosy no nanoratany ka nilazana ireo baiko nomena ireo mpandraharaha sy ireo solotenan’ny amperôra, any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Isaky ny faritra dia nanoratana taratasy anankiray araka ny fiteny fampiasa ao.

10Voasoratra tamin’ny anaran’ny amperôra ireo taratasy ireo sy notombohina tamin’ny peratra tombokaseny, ary dia nampitondraina iraka faingam-pandeha.

11Nodidiana ny Jiosy mba hanaraka ny lalànany isan-tanàna misy azy, na ny amin’ny fifanampiany izany na ny amin’izay hanaovany an’ireo mpanohitra sy mpandrafy azy araka izay tiany.

12Andro iray ihany no hampiharana izany didy izany, manerana ny fanjakàn’i Artakserksesa, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help