Fahendrena 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Olona mety maty tahaka ny rehetra koa aho

ary taranaky ny voalohan’olona

izay voavolavola tamin’ny tany.

Voasokitra ho nofo tao an-kibon-dreniko aho,

2ka nihamafy tao amin’ny rany

nandritra ny folo volana.

Ny nipoirako dia ny tsirinain-dehilahy

sy ny fahafinaretam-piraisana.

izay mahasondrian-torimaso.

3Raha vao teraka ihany koa aho,

dia nifoka ny rivotra iaraha-manana;

ary latsaka an-tany itoviam-pahoriana aho,

ka tahaka ny zazakely rehetra

dia tomany no voalohan’antsoko.

4Nofonosina lamban-jaza aho

sady nokenakenaina fatratra.

5Tsy nisy mpanjaka izay nanam-piandohana

hafa noho izany teo amin’ny fiainany.

6Fa fomba tokana ihany amin’ny olon-drehetra

no idirana sy ialana amin’ny fiainana.

Ny fitiavan’i Salômôna ny fahendrena

7Izany no antony nivavahako

ka nanomezana ahy fahaiza-manavaka.

Niantso aho, dia tonga tamiko

ny fanahin’ny Fahendrena.

8Naleoko izany toy izay ny tehim-panjakana

sy ny sezafiandrianana;

zava-poana amiko ny harena,

raha mitaha aminy.

9Tsy nampitoviko taminy

ny vatosoa sarobidy indrindra,

satria ny volamena manontolo eran-tany

dia fasika kely ihany eo anatrehany

ary ny volafotsy dia fotaka ihany

raha manoloana azy.

10Fa tiako noho ny fahasalamana amam-bika ny Fahendrena;

ka tapa-kevitra ny hanana azy ho fahazavana aho,

satria tsy mba mety lefy ny famirapirany.

11Raha tonga tamiko ny Fahendrena,

dia ny soa rehetra koa no niaraka taminy;

harena tsy tambo isaina no teny an-tanany.

12Nifaly tamin’ireo soa rehetra ireo aho,

satria ny Fahendrena no nitondra azy tamiko;

kanefa tsy mbola nahalala aho

fa hay izy no renin’izany.

13Izay nianarako tamim-pahatsorana taminy

dia tsy mba tazoniko ho ahy irery,

fa zaraiko amin’ny hafa;

ary tsy mba afeniko ny hareny.

14Rakitra tsy mety ritra ho an’ny olona izy,

ka izay mahazo azy dia tonga sakaizan’Andriamanitra

fa mankasitraka izay mianatra aminy izy.

Andriamanitra no loharanon’ny fahalalana rehetra

15Homen’Andriamanitra ahy anie

ny hiteny araka ny hevitra mitombina

ary koa ny hanana fisainana

mendrika ny fanomezana noraisiko taminy.

Fa Izy no mitarika ny Fahendrena

sy manoro lalana ny hendry.

16Eo ambany fahefàny isika,

dia isika sy ny tenintsika

ary ny fahatakaran-javatra

sy ny haitao isan-karazany.

17Izy no nanome ahy fahalalana

ny tena zava-misy marina.

ka nampahafantatra ahy ny firafitry ny tontolo

sy ny asan’ireo foto-javatra;

18nampahafantariny ahy ny fizaram-potoana,

dia ny fiandohany sy antenantenany ary fiafarany,

ny fifandimbiasan’ny fisarahan-taona

sy ny fiovan’ny tonontaona,

19ny fitsingerin’ny taona

sy ny toeran’ny kintana,

20ny fomban’ny biby

sy ny fihetsiky ny bibidia,

ny herin’ny fanahy

sy ny fisainan’ny olona,

ny karazan-java-maniry samihafa

sy ny herim-panasitranan’ny fakany.

21Ny zava-miafina sy miharihary

dia fantatro avokoa,

satria ny Fahendrena

mpamorona ny zava-drehetra

no nampianatra ahy izany.

Toetry ny Fahendrena

22Fa ao amin’ny Fahendrena

dia misy fanahy manan-tsaina sy masina,

tokana saingy maro sahanina,

kinga sy mihetsiketsika,

maninteraka sady tsisy pentina,

mazava, tsy miova,

sakaizan’ny tsara, mailaka,

23mahaleotena, manao soa,

sakaizan’ny olona, hentitra,

mahatoky, heni-pahatoniana,

mahefa ny zavatra rehetra,

miambina ny zavatra rehetra,

ary maninteraka ny fanahy rehetra,

na ny manan-tsaina, na ny madio

na ny faran’izay kinga indrindra.

24Fa ny Fahendrena dia mailaka kokoa

noho izay fihetsehana rehetra,

ka mamonto ny zava-drehetra

sy maninteraka azy noho ny hadiovany.

25Fofonain’ny herin’Andriamanitra izy,

famirapiratana mangarangarana

apariaky ny voninahitry ny Tompon’izao rehetra izao,

ka tsy tafatsofoky ny zava-maloto.

26Taratry ny fahazavana mandrakizay izy,

fitaratra tsisy pentina

ahitana ny asan’Andriamanitra,

ary koa endriky ny hatsaram-pony.

27Na dia irery aza ny Fahendrena,

dia mahefa ny zavatra rehetra;

na dia tsy miova koa aza izy,

dia manavao ny zavatra rehetra.

Mamangy ny fanahin’ny olona masina izy,

isaky ny taranaka mifandimby, mba hahatonga ireny

ho sakaizan’Andriamanitra sy ho mpaminany;

28satria Andriamanitra tsy mba tia

afa-tsy izay mifankazatra amin’ny Fahendrena.

29Fa mamiratra noho ny masoandro izy

ary manoatra noho ny kintana isan-karazany.

Manan-tombo lavitra izy raha mitaha

amin’ny fahazavan’ny andro;

30satria dimbiasan’ny alina izany,

fa ny Fahendrena kosa tsy mba resin’ny ratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help