Bena-Siràka 46 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Josoa sy i Kaleba

1I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia olona nahery an’ady

sy nandimby an’i Mosesy tamin’ny maha mpaminany;

koa, araka ny anarany, dia niseho ho lehibe izy

tamin’ny famonjena an’ilay vahoaka voafidin’ny Tompo

sy tamin’ny famaizana ireo fahavalo nanohitra azy

mba hahatonga ny vahoaka Israely handray ny zarataniny.

2Endrey izany voninahitra azony, rehefa nanainga tanana izy

ka naninjitra ny sabany mba hamely ireo tanàna.

3Tsy nisy olona talohany nahery fo tahaka azy,

satria izy mihitsy no nisahana ireo adin’ny Tompo.

4Moa tsy baikony ve no nihemoran’ny masoandro

ary naharetan’ny andro iray ho toa andro roa?

5Rehefa noporetin’ny fahavalo hatraiza hatraiza izy,

dia ilay Avo Indrindra sady Mahery no nantsoiny;

ary nihaino azy ilay Tompo lehibe

ka nandefa vongan-kavandra vaventy dia vaventy.

6Dia niantorahan’i Josoa ny tafika nanohitra

ary teo amin’ilay fidinana no naripany ny fahavalo

mba hahalalan’ny hafa firenena

izay niady nanohitra ny Tompo

ireo fitaovam-piadiana rehetra fampiasan’i Josoa,

satria nizotra nanaraka an’ilay Mahery izy.

7Tamin’ny andron’i Mosesy koa i Josoa

no efa naneho toetra mahafatra-po,

dia izy sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè

fony izy roa lahy nanohitra ny vahoaka tafangona

ka nisakana azy tsy hanao fahotana

ary nampangina ny fimonomononan-dratsy.

8Ka dia izy roa lahy ireo no hany voatahiry

tamina miaramila nisy andiany eninjato,

mba hampiditra ireo mpiray firenena aminy

ao amin’ny tany natao ho fananany,

dia ilay tany tondra-dronono sy tantely

9Ary nanome hery an’i Kaleba tokoa ny Tompo,

dia hery naharitra hatramin’ny fahanterany

ka nahazoany an’ilay faritra be havoana

izay mbola voatanan’ny taranany ho fananany.

10Izany no nahatsapan’ny Israelita rehetra

fa tsara ny mizotra manaraka ny Tompo.

Ny Mpitsara(Jereo Mpits 2.11-19)

11Ny amin’ny Mpitsara koa, dia samy nanana

ny lazany avy.

Tsy mba voasodokan’ny fanompoan-tsampy izy rehetra

ary tsy mba nihataka niala tamin’ny Tompo.

Hisaorana an’Andriamanitra anie ny fahatsiarovana azy!

12Na dia efa ao am-pasana aza ny taolambalony,

dia hampijoro olona handimby azy anie ny Tompo!

Enga anie ny laza nananan’ireo olomanga ireo

ho velona indray eo amin’ny taranaka amam-parany!

I Samoela

13I Samoela dia notiavin’ny Tompo

sady mpaminany nampiorina ny fitondrà-mpanjaka

ary nanosotra filoha ho mpanjakan’ny vahoakany.

14Araka ny lalànan’ny Tompo no nitsaran’i Samoela

an’ireo mpiray firenena tafangona;

ka notsinjovin’ny Tompo ireo tàranak’i Jakôba.

15Ny toetrany mahatoky ny nisehoany ho mpaminany marina;

ny hafatra nampitainy no niekena azy

ho mpahita azo antoka tokoa.

16Rehefa noporetin’ny fahavalo hatraiza hatraiza izy,

dia niantso vonjy tamin’ilay Tompo mahery

sady nanao sorona zanakondry mbola minono.

17Dia nandefa kotrokorana avy tany an-danitra ny Tompo

sy nampandre ny feony nirefodrefotra mafy;

18ka nataony ringana ireo filoham-pahavalo,

dia ireo rehetra mpanapaka ny Filistinina.

19Talohan’ny fotoanandron’ny torimasom-pahafatesana

dia nanao fanambarana ampahibemaso i Samoela

teo anatrehan’ny Tompo sy ilay mpanjaka voahosony;

ka hoy izy hoe: «Tsy mba nisy olona na iza na iza

nakako zavatra, na dia ny kapany ihany aza.»

Tsy nisy rahateo olona nanome tsiny an’i Samoela.

20Rehefa nodimandry aza izy, dia mbola naminany ihany

ka nilaza tamin’ny mpanjaka ny hahafatesany;

avy any an-kibon’ny tany koa izy no nanandra-peo

ka naminany mba hamongorana ny heloky ny vahoaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help