1Teo amoron’ny onin’i Babilôna no nipetraka izahay
ka nitomany mafy nahatsiaro an’i Tsiôna!
2Ny hazomalahelo izay teny ho eny
no nanantonanay ny lokanganay.
3Dia avy ny mpamabo anay nangata-kira taminay;
avy ny mpifaoka anay nitaky antsam-pifaliana hoe:
«Mba ihirao amin’ny hiran’i Tsiôna izahay!»
4Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny TOMPO
atỳ an-tanin’olona atỳ?
5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,
dia aoka ho tonga malemy ny tanako ankavanana!
6Raha tsy mahatsiaro anao intsony aho, ry Jerosalema ô,
raha tsy ianao no ataoko antom-pifaliako
ambony indrindra,
dia aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako!
7TOMPO ô, tsarovy ny nafitsoky ny Edômita;
fa tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema,
dia ireo no nandrisika hoe: «Fongory io tanàna io,
eny, fongory hatramin’ny fanorenany!»
8Ianao kosa, ry tanànan’i Babilôna ô, dia efa horavana.
Sambatra izay hampanody anao ny nafitsokao anay!
9Sambatra izay hanainga ny zanakao madinika
ka hanorotoro azy eo ambonin’ny vatolampy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.